« Festival Sôrogno Ambanja »: Ireo mpanakanto andrasan’ny mponina no halahatra

Tarika maherin’ny 5 isaky ny alina no handray anjara. Fampisehoana mozika no tena hibahana mandritra ny « Sorogno », na eo aza ireo hetsika maro hafa amin’ny maha « Festival » azy.

Hetsika ara-kolontsaina anisan’ireo zokiny in­drindra sy tsy mba niatoato ny « Festival Sorogno ». Reharehan’Ambanja ny he­tsika, satria sady fitaratra amin’ny hetsika ara-javakanto no fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny faritra ihany koa. Hotontosaina ny 21 hatramin’ny 24 aogositra izao ny andiany faha-26 amin’ny « Festival Sôrogno – Cacao », izay anarana nahafantarana ny hetsika ihany koa, ho fanandratana ity vokatra mampiavaka an’i Sam­birano ity.
« Nakana hevitra ny mponina, satria azy ireo indrindra ny hetsika. Nezahina ny nahazo ireo mpanakanto tena andrasan’izy ireo », hoy ny nambaran’i Valdés, iray amin’ireo mpi­karakara anatin’ny kaomity Sorogno. Maro amin’ireo no efa nandrasana ela, toa an’ ireo mpanakanton’ny Davalt Rwikordz, ahitana an’i Moop­can, Ngiah Tax, Maman’i Tsô­lôlô, Parish, Ceis, sns. Eo koa anefa ireo nanamarika ny hetsika an-taonany maro, toa an’i Din Rotsaka, izay sady hanafana ny alim-pandihizana fano­kafana ny alakamisy 21 aogositra, no hiakatra eo amin’ny sehatra lehibe ihany koa ny 23 aogositra. Tsy afa-misaraka amin’ny lazan’ny Sôrogno koa i Sisca « mama oe », izay ma­marana hatrany ny hetsika. Anisan’ireo mpivoy ny salegy aoe izy sy i Kakabe Djino izay hiaka-tsehatra ny sabotsy 23 aogositra. Hiverina ao Ambanja ihany koa i Arnaah amin’ity, taorian’ny tsy nahitana azy elaela an-tsehatra. Hisolo tena ireo mpanakanto vao handray anjara voalohany ry Jeddy, Shakry Sley, Kesy Lima, Nai­mah, sns. Hanentana ny seho rehetra kosa i Ali Kitsa sy Dj Beguine, mandritra ireo 4 andro ireo.
Hialoha ny andiam-pampisehoana ny « carnaval » ha­makivaky an’Ambanja, hihazo ny kianjabe, hanaovana ny hetsika rehetra. Hisy hatrany ny fifaninanana « Tsinjaka be Sambirano », hanehoana ireo karazan-dihy nentim-paharazana, toy ny « Trôtrobe », « Ma­janga », sns. Eo koa ireo fifaninanana ara-panatanjahan­tena, indrindra ny moraingy izay be mpankafy. Hanana tranoheva hampirantiana ihany koa ireo orinasa madinika ma­nodina ny cacao ho vokatra.

Zo ny Aina

Partager sur: