Fidirana amin’ny sehatry ny asa : Tombony ho an’ny tanora ny fisian’ny fampiofanana

Tanora avokoa ny 70% ny mponina eto Madagasikara. Tombony ho azy ireo amin’ny fitadiavana asa ny fisian’ny atrikasa fampiofanana mahakasika ny fampanana asa sy ho tonga mpandraharaha.

Maherin’ny fito amin’ny 10 ny tanora malagasy mipetraka any ambanivohitra, raha ny tatitra voaray farany mahakasika ny tanora maneran-tany. Avy amin’ny tokantrano sahirana avokoa ny enina amin’ny 10 amin’izy ireo. Roa ampahatelon’izy ireo miasa amin’ny sehatra tsy ara-dalàna. La­tsa­ky ny 3% kosa ny misehatra eo amin’ny tonton’ny fandraharahana.
Ilaina sy tombony lehibe ho an’ny tanora malagasy ny fanatrehana ireny fampiofanana amin’ny sehatry ny asa maro ireny, raha ny fanadihadiana natao. Tanjona ny ha­metrahana ny sehatry ny asa sy ny fandraharahana ho azy ireo eto an-toerana. Eo koa ny hanampiana azy ireo hanana atrikasa fampananana asa sy fandraharaharana. Amin’ny an­kapobeny, mahaliana ny tanora malagasy ny fanatrehana izany.
Miezaka manatanteraka izany ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny minisitera samihafa. Eo ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin ‘ny firenena malagasy sy ny Rafitry ny Firenena mikambana miasa eto Madagasikara. Tanjona ny hampihenana ny tahan’ny tsy fananan’asa eto an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny veliranon’ny Filoham-pirenena ny fanomezana asa sy fandraharahana ho an’ny tanora rehetra manerana ny Nosy. Ankoatra izay, mifototra amin’ny fanabeazana sy ny fiofanana arakasa ny ankamaroan’ny hetsika atao. Laharam-pahamehana ho an’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fanjakana, ny fanomezana fiofanana, ny fampiofanana zatovovavy sy ny olona manana fahasembanana. Antony, maro ny olona mbola manilikilika azy ireny eny anivon’ny fiarahamonina.

Hanenana ny tahan’ny tsy fananana asa
Ivon’ny fampandrosoana ny firenena ny fijerena ifotony sy fampanana asa ny tanora sy ny tantsaha. Ny fahatsapana izany no antony mahatonga ireo fikambanana samihafa nanangana tetikasa marolafy eto amin’ny Nosy. Mitondra fampivoarana eo amin’ny lafiny sosialy sy eo amin’ny sehatry ny fampanana asa izany. Ankoatra izay, mampisy fitondrana tsara tantana sy fandriampahalemana eto amin’ny firenena ihany koa.
Maro ny tetikasa ataon’ny fitondram-panjakana hampananana asa ny tanora eto amin’ny Nosy. “Ilaina fanatavenenana sy fanomezana sehatra io fampiofanana io mba hampihenana ny tahan’ny tsy fananana asa. Ohatra amin’izany ny Odof (One District, One Factory). Tetikasa nametrahana ireo indostria madinika isaky ny distrika, 75 eo izany nanerana an’i Madaga­sikara, mba hahafahan’ny tanora mamorona asa ho azy sy ho an’ny hafa. Amin’ny alalan’ny fanodinana ny zava-misy ao amin’ny disitrika misy azy. Toy izany koa ny tetikasa fihariana sy fampiofanana azy ireo amin ‘ny sehatry ny fambolena sy fiompiana.

Fiomanana amin’ny fiainana hoavy

Fitaovana iray ahafahana miditra sy mahazo asa ny fampiofanana arakasa. Ankoatra izay, fomba iray entin’ny tanora miomana sahady amin’ny hoaviny koa. Manangana hoavy mamiratra ho an’ny tena sy ho an’ny fiarahamonina ny fanomezan-danja sy fanampiana ny tanora amin’ny alalan’ny fampiofanana.
Etsy ankilany, manokatra ny vavahadin-tsain’ny tanora ny fampiofanana omena azy. Manamafy ny fahaiza-manao sy ny fahavononany hiditra amin’ny tontolon’ny asa, andaniny. Noho ny fiatrehana izany, mitombo ny traikefan’ny tanora na eo amin’ny lafiny teknika
na eo amin’ny lafiny maha matihanina. Fotoana iray ahafahany mihaona sy mifanerasera amin’ny tontolo matihanina koa ny fanatrehany fiofanana. Mety hanampy betsaka amin’ny fanomanana ny hoaviny ny torohevitra isan-karazany omen’ireny olona ireny.
Manatsara sy mampitombo ny fahatokisan-tenany ihany koa izany. Lasa mitombo ho azy ny fahatokisan-tena rehefa mahafehy fahaiza-manao iray sy mahavita zavatra amin’ny fiofanana izy. Ny zava-dehibe indrindra dia ny fidirany amin’ny sehatry ny asa sy ny fandraharahana. Raha tsy hiasa amin’ny orinasa ny tanora iray aorian’ny fiofanana ataony, mety hanana fikirizana hanangana ny orinasany manokana izy. Fomba iray entiny mampihatra ny fampiofanana arakasa nataony izany rehetra izany.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: