Nitombo hery ka lasa rivodoza indray i Cheneso. Omaly maraina, tany amin’ny 190 km andrefana somary avaratra andrefan’i Morondava no nisy ny foibeny.
65 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra manodidina ny 90 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka nianavaratra andrefana i Cheneso ka nahafaka 6 km isan’ora. Tsy ahina ny hiverenany an-tanety fa kosa hivoatra any amin’ny maherin’ ny 100 km miala ny morontsiraka izy ato anatin’ny dimy andro manaraka. Noho izany, mety ho voakasiky ny tafiotra manodidina ny 50 hatramin’ny 70 km isan’ora ireo distrika amin’ ny morontsirak’i Menabe sy Atsimo Andrefana. Entanina ireto distrika ireto hampihatra ny fepetra mikasika ny filazana fanairana miloko maitso: Belon’i Tsiribihina, Morondava, Manja, Morombe ary Toliara I-II.
Mety hanantombo ny rotsak’orana (40 ka hatramin’ny 80 mm ao anatin’ny 24 ora) hatramin’ny rahampitso any Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana, Boeny, Sofia, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Ahina hanampy trotraka ny takaitra efa nateraky ny rotsak’orana nandritra ny andro maro lasa izany. Mitoetra hatrany, araka izany, ny fampitandremana amin’ny fahabetsahan’ny rotsak’orana.
Entanina ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka avaratra andrefana, andrefana, atsimo andrefana, atsimo ary eo anelanelan’i Mahanoro sy Taolagnaro tsy hiandriaka satria mbola hikorontana ny toetry ny andro.
Omaly maraina, niakatra ho 4.20 m ny haavon’ny reniranon’i Betsiboka (tetezana RN4). Nihena ho 0,60 m kosa ny haavon’ny rano eo amin’ny reniranon’i Kamoro (tetezana RN4). Noho izany, mbola voatazona hatrany ny filazana miloko mena na filazana loza mihatra amin’ny fiakaran’ny rano amin’ireto toerana izay manamorona ny reniranon’i Betsiboka ireto: Ambatoboeny, Marovoay, Madirovalo ary Marolaona.
Haverina vonjimaika ny lalam-pirenena
Momba ny fahasimban’ny lalam-pirenena. “Tapaka fa haverina vonjy maika ho azo hifamezivezena aloha ny lalam-pirenena ahafahana mitondra ny fanampiana ho an’ny traboina sy fifamoivoizan’ny entana sy ny olona”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Andriakaja Elack Olivier, omaly, teny Andrainarivo. Nisy ny fivoriana niarahan’ny minisitera rehetra voakasika sy ny mpiray ombon’antoka amin’ny fanjakana. Nofaritana ny asan’ny tsirairay sy ny toerana hiasany ao anatin’ny fiatrehana ny voina.
Vonjy A.