Festival « Ode to peace” : Nandray anjara ny Zanabaliha

Tontosa ny 9 aogositra ka hatramin’ny 16 aogositra, tany Chine, ny Festival «Ode to peace» na ilay hetsika lehibe ho an’ny fandriampahalemana. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny mpianatra avy ao amin’ny «Zanabaliha», foibe fikarohana sy fampianarana momba ny mozika. Ny 12 aogositra no nandray anjara ireto solontenan’i Madagasikara ireto.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana notanterahin’izy ireo tamin’izany ny fanehoana ny mampiavaka ity Nosy ity amin’ny firenen-kafa eo amin’ny gadon-kira, zavamaneno ampiasaina, dihy, sns. Hira malagasy voasokajy ho vakodrazana no nampahafantarin’ny Zanabaliha izao tontolo izao. Anisan’izany ny «Mandry ve ny ao an-tanana?», «Mandihiza Rahitsikitsika», «E ! Raivo a»…
Tanora eo anelanelan’ny 16 ka hatramin’ny 25 taona eo no nandray anjara tamin’ity Festival “Ode to peace”, seho iraisam-pirenena lehibe notanterahina tany Chine ity. Ho an’ny Zanabaliha manokana, iraisan’izy ireo ny fahaizana mifehy ny solfezy sy ny fitendrena valiha ary ny soatoavina malagasy manoloana ny fandriampahalemana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: