Mahavelombolo hatrany ireo tetikasa miforona eo amin’ny sehatry ny zavakanto. Vaovao indray ity entin’ny fikambanana Limbo.Org ity, izay hotontosaina manomboka ny 30 aogositra izao, etsy amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina. «Vindiecate» ny anaran’ny tetikasa, izay natao hitiliana sy hitondrana fanampiana ho an’ireo manan-talenta kanefa tsy mbola tafiditra anatin’ny rafitra matihanina. Ho an’ireo mpanao mozika aloha izany, indrindra ireo manam-piniavana hiroso saingy tsy mbola mahita tsara ny lalana hizorany.
Hizara efatra ireo atrikasa tokony harahin’ireo liana amin’ny tetikasa. «Band Speed Dating» ny voalohany, izay hotontosaina ny 30 aogositra, manomboka amin’ny 10 ora. Natao hampihaonana ireo mpanao mozika tsirairay mba ho tafaraka anaty tarika, arakaraka ny fironany io fotoana io. Handrisihana azy ireo hanangana tarika io, rehefa mitovy ny fironana amin’ny mozika ka mifandray ihany koa ny tadin-dokanga.
Ny «Songwriting» ny atrikasa faharoa, araka ny anarany, hiompana kokoa amin’ny famoronan-kira. Hizara amina fotoana telo izany, ny 30 aogositra, 6 septambra ary ny 13 septambra, isaky ny amin’ ny 2 ora. Tsy ampy mantsy ny manan-talenta amin’ny famoronan-kira fotsiny, fa mila ampiana tosika mba ho tonga amina vokatra azo amidy izany. Ny « Music Kitchen » ny atrikasa fahateo, izay hamoahan’ireo mpiofana hira hiaraha-miketrika anatin’ny fotoana fohy, ka samy mitondra ny anjara birikiny ao daholo ny rehetra. Ny 6 sy 13 septambra kosa no hanaovana azy io, amin’ny 10 ora maraina. Fahefatra farany ny «Rec faobe», izay natao ho an’ireo efa manana vakiraokana hira ka tsy mbola noraisim-peo, sy ho an’ireo handray anjara amin’ny tetikasa ka hamadika ny traikefa ho vokatra. Hitambatra anatina rakikira «Vindiecate 2025», izay efa hisy safidy ho an’ny tsenan’ny mozika izany, hanamora ny fanampiana ireo mpanakanto amin’ny fampahafantarana ny vokatra vaovao.
Zo ny Aina




