Association Zanak’i Gasikara: nanohana ara-tsakafo ny voafonjan’i Betroka

Nanampy ireo voafonja voatazona ao Betroka ny fi­kambanana Association Za­nak’i Gasikara (AZIG). Ondry roa, vary roa gony, zava-pisotro no natolotra ho azy ireo ny alahady lasa teo . Mba niova tamin’ny balahazo ny sakafo nozaraina ireo voafonja. No­faranana tamin’ny lanonana namalifaliana azy ireo ny hetsika. 280 ireo voafonja nisitraka ny fanampiana niampy ny mpiasan’ny fonja. Tsy hijanona ao Betroka ny hetsiky ny association fa hitety ireo fonja manerana an’i Madagasikara, hoy ny filohan’ny fikambanana, Ramihatsara Carrozza Heliarisoa. Tafiditra ao ny famerenana ny fangatahana amin’ny mpahay lalàna sy ny fitondram-panjakana ny hijerena ireo voafonja tsy mbola notsaraina. Ao koa ny hanasarahana toerana ireo voafonja nanao heloka bevava sy ireo nanao heloka tsotra. Nan­ga­taka ny hijeren’ny Bianco sy ny fanjakana manokana sy ny hamoahana tao am-ponja an’i Haingotiana Mamy Bernard ihany koa ny filohan’ny fikambanana satria tsy nanara-dalàna ny nampidirana azy tao. Manomana ny fampidirana rano fisotro madio ao amin’ ny fonjan’i Betroka ny fikambanana, amin’izao fotoana izao
Asa manaraka ny fanohanana ireo olona tratran’ny mosary any Ikongo raha tany atsimo no nanombohana iza­ny. Maro ny asa hatao amin’ ity taona ity eto Madagasikara raha tany Afrika no nitondrana hetsika betsaka ny taon-dasa. Anisan’ny hosahanina ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ady amin’ny kolikoly,ny zon’ ireo voafonja tsy mbola nandalo fitsarana.

Vonjy A.

Partager sur: