Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny alalan’ny fitaleavana miandraikitra ny fanafody “Agence du Médicament de Madagascar”, mahakasika ny vaovao tsy marina miely momba ny fanafody Paracétamol tonga eto amintsika.
Mandalo fanaraha-maso sy fitiliana avokoa ny fanafody rehetra miditra eto Madagasikara izay vao mivelatra eny amin’ny fivarotam-panafody, raha ny tatitry ny fanambarana.
Tsy marina, araka izany, ny vaovao aelin’ny sasany fa misy karazana “virus machupo” izany ao anatin’ny fanafody pilina Paracétamol miparitaka amin’ny farmasia rehetra eto. Tsy mbola nisy tranga nisehoan’io virus io rahateo eto Madagasikara izay nifandraika tamin’ny fihinanana fanafody.
Nanamarika ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa efa hatramin’ny taona 2017 no niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera tany amin’ny firenena maro io tsaho io ary efa nodisoin’ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana isan-tsokajiny. Miantso ny rehetra ho tony ny minisitera manoloana ny tsaho miely.
Tatiana A