Miisa fito ireo maty vokatry ny fandalovan’i Cheneso. Vehivavy tototry ny trano ny iray tamin’izy ireo raha ny tatitra voaray avy amin’ny BNGRC, omaly. Mahatratra 13 ireo tsy hita popoka tao anatin’izany. Mbola tsy naharenesam-baovao ny dimy tamin’izy ireo. Mahatratra 10 728 ireo olona tsy maintsy nafindra toerana vokatry ny fiakaran’ny rano sy fahasimban’ny trano fonenana. Mitoby amin’ny toerana 55 samy hafa manerana ny faritra valo eto amin’ny Nosy izy ireo. Miisa efatra ny tetezana tapaka vokatry ny fiakaran’ny rano sy ny rotsak’orana. Hita any amin’ny faritr’i Boeny, Sofia, Analanjirofo ary Betsiboka izany. Lalana miisa 15 tsy azo naleha vokatry ny fihotsahan’ny lalana. Efa miverina amin’ny laoniny kosa ny lalana miisa dimy tamin’ireo. Mahatratra 10 066 ireo tanimbary tototra ao anatin’ny faritra maro manerana ny Nosy nandritra ny fandalovan’ilay rivodoza Cheneso raha ny tatitry ny BNGRC. Potika ny 500 tamin’izy ireo.
Nanampy ara-tsakafo ho an’ireo traboina tao amin’ny faritr’i Boeny sy Sava ny solontenam-panjakana rehetra. Nozaraina tamin’izany ny vary milanja 5950 kilao. Siramamy milanja 350 kilao, menaka 60 litatra, savony 13 isa ary labozia efatra.
Mino ( mpianatra asa)