Kolontsaina mampiray firenena: Andiany faha-19 ny « Angaredona mozika festival »

Hetsika kolontsaina, anisan’ny lehibe fanao isan-taona, ny « Angaredona mozika festival ». Amin’ny ankapobeny, voatazona hatrany ny fandaharam-potoana nisy hatramin’izay. Misy hatrany ihany koa ny fanatevenana.

Hotanterahina eny Ambo­himanga Rova, ny 13 ka hatramin’ny 21 septambra izao, ilay hetsika kolon­tsaina lehibe « Angaredona mozika festival » andiany faha-19. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny diabe (carnaval), ny afondasy, kilonga milalao, ireo atrikasa maro hiompana amina lohahevitra samihafa, ny « animation scolaire », fampirantiana anaty tranoheva, sns. Mpanakanto sy mpanantalenta ary tarika maro no handray anjara. Ton­tosaina eo anoloan’ny kaominina Alakamisy, Kalo Tsara Ambatomasina, Kianja Anka­divory, ireo hetsika ireo.
Ny lafivalon’ny Nosy, saika ahitana mpanakanto na tarika mandray anjara amin’ity an­diany faha-19 ity avokoa. « Ko­lontsaina mampiray firenena » rahateo ny lohahevitra ao anatiny. Ny 13 septambra, manoloana ny kaominina Alakamisy. Hiaka-tsehatra i Bolo, Kaiamba, Rajery sy Tahina Carine, Fara­kely, Spesialista, Akon’i Mania, José Besaroka, Volazara, Ta­nanomby, Ravakiniala, Jean Piso, Accordéon Imanja.
Ny zoma 19 septambra, eo amin’ny Kalo Tsara Ambato­ma­sina, ahitana an’i Mbola Talenta, Inah, Jean Piso ary i Steph Rambi. Sabotsy 20 septambra, Kianja Ankadivory, hiaka-tsehatra ry Raouto, Ljo, Théo Rakotovao, Njara Marcel, tarika Telofangady, Lowis avy atsy amin’ny Nosy La Réu­nion, Vallen & Nani avy atsy amin’ ny Nosy Rodrigues, Robin Kafra Basy (Nosy La Réu­nion). Ny alahady 21 septambra, mbola eo amin’ny Kianja Ankadivory ihany, ahitana ny tarika Rossy sy Feokanto (Zaza Kanto teo aloha) ary Kougar.
Ankoatra ny « Kolontsaina mampiray firenena », anisan’ ny maha zava-dehibe ny « An­ga­redona mozika festival » koa ny fisian’ny fifanakalozana sy fifampizarana traikefa ao anatiny. Samy manana ny mampiavaka azy rahateo ny zavakanto sy ny kolontsaina hita eto Madagasikara.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: