Volana jolay, aogositra, septambra, oktobra. Ao anatin’ ny fanatontosan’ny Malagasy ireo fomba amam-panao tahaka ny famadihan-drazana sy hasoavan-jaza. Fotoana mahamaro ny adin-kiragasy. Eo ihany koa ny adin-kiragasy karakaraina olona tsotra na fikambanana, sns. « Eo ho eo amin’ny 1 500 000Ar ny karaman’ny tarika iray. Voatazona ihany io, saingy, ho an’ity taona 2025 ity, mihena ny vola raisin’ ny mpikambana tsirairay ao anatin’ny tarika, noho ny haratsian’ny lalana. Ny tompon’ny fiara, tsy maintsy mampakatra ny saran-dalana, satria, mitombo ny fikarakarana na fikojakojana ny fiara. Hanodidina ny 1 000 000Ar, sisa no hifampizaran’ny olona 35 (mety mihoatra izany aza ny ao anatin’ ny tarika iray). Izany hoe, eo ho eo amin’ny 30 000Ar (na mety ho latsak’izay aza) ny anjaran’ny tsirairay », hoy i Dadafara Lt Production.
Soson-kevitra nomen’i Dadafara Lt Production ny tokony mba hanondrotana ny saram-pidirana. « Efa tao anatin’ny fotoana naharitra no nitazonana ny 2 000Ar. Rariny kosa raha mba hasondrotra io sarany io. Amin’izay, sady tsy maty antoka ny mpikarakara, no mba misondrotra ny karaman’ny mpihiragasy tsirairay. Aza hadinoina fa ambilombazana (kely dia kely) ny 2 000Ar raha oharina amin’ny vidim-pidirana any amin’ireo fampisehoana rindran-kira an-tsehatra mahazatra isaky ny faran’ ny herinandro », hoy hatrany izy. Marihina fa sady zavakanto no kolontsaina sy fanabeazana ho olom-banona ny hiragasy.
HaRy Razafindrakoto




