TARATRY ny KANTO

I Arielatra, Dimby Mahenina, Baliaka Natiora ary i Kanto Fitahiana. Hanafana ny sehatra lehibe, etsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy Analakely, ny 23 aogositra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, amin’ny alalan’ny poezia izy dimy mirahavavy avy ao amin’ny Faribolana Sandratra. Fintinin’izy ireo ao anatin’ ny « Anofy » ireo hevi-dehibe hampitaina amin’io antsa io.
Lesoka eo amin’ny fampivelarana ny kolon­tsaina sy ny zavakanto malagasy ny tsy fahampian’ny mpampianatra na ny sekoly mampianatra azy ireny. Mbola olana ihany koa, anefa, ny fahaiza-mampita ananan’ireo mampianatra. Ilay kolontsaina na ilay zava­kanto, hay, fa ny fomba hoentina mampita izany, tsy ananana. Antony iray mampandeha ila sy tsy mampitovy ny lentan’ny fahaizana zavakanto sy kolontsaina eto Mada­gasikara… Hany ka nanjary sarotra be ny hamaritra ny lazaina ho « mahay »… Fa niroborobo fatratra ireo mitonona na antsoina ho « Maître » !
Na eo aza ilay lazaina fa fahaiza-mifehy ny teny malagasy… Tsy ampy ny boky hoenti-mianatra ny fitsipi-pitenenana. Mila hatevenina ihany koa ny ora hoenti-mianatra azy io ao amin’ny taranja malagasy. Mila omena fiofanana matetika ihany koa ireo mpampianatra io taranja io. Hatramin’izao, mbola misy sekoly tsy manana na tsy mampiasa rakibolana amin’ny teny mala­gasy, saingy, manana diksionera amin’ny teny vahiny! Tranga tsy tokony hiseho raha manam-piniavana ny tsirairay ka mametraka ho zava-dehibe ny tenindrazana sy ny tanindrazana.

Partager sur: