Mathyas : nampindramin’ny PSG ny FC Sète 34

Mbola mandeha ao ana­tin’ny fifindrana na “Mercato d’hiver” ny mpilalao ankehitriny. Nomen’ny PSG tolotra hindrana an’i Mathyas, mpilalao malagasy mandritra ity taom-pilalaovana ity ny Fc Sète 34. Vaovao nalaza tao anaty tambajotran-tserasera, omaly.
19 taona Randriamamy Mathyas, ary ao amin’ny Nasional 2 izany izy no hilalao ankehitriny. Tsiahivina fa mpilalao novolavolaina nandritra ny taona maro tao amin’ny PSG i Mathyas, ary efa voaantso ekipam-pirenena Barea A. Tamin’ny nandavoantsika ny Repoblika De­mokratikan’i Congo, tamin’isa 1 no ho 0 teo Mahamasina, ny lalao voalohany niaraka tamin’ny Barea A. Marihina fa tafiditra tamin’ny fifanin­tsanana amin’ny fandraisana anjara ny fifaninanana maneran-tany na “Mondial Qatar 2022” izany lalao nataony izany.
12 volana eo izany ity mpilalao malagasy ity, hiezaka haka traikefa any amin’ny “Nasional 2” Frantsa raha toa ka tao amin’ny sokajy U-19 foana ny tenany hatramin’izay.

Fitia (Mpianatra Asa)

Partager sur: