TARATRY ny KANTO

Handray anjara mavitrika ao anatin’ilay fifaninanana iraisam-pirenena « Intervision » hotanterahina any Rosia ny 20 septambra izao ny solontena telo avy eto Madagasikara. Mamy Gotso, tontolon’ny fitsarana sy ny fampiaraham-peon’i Denise sy i D-Lin amin’ilay hira mitondra ny lohateny « Tiako hanjeky ». Marihina fa mpanakanto anisan’ny efa niatrika fifaninana iraisam-pirenena lehibe tahaka izao i Denise sy i D-Lain. Taona 2014, tao anatin’ny « Africa Talent » i Denise. Taona 2012, nandrombaka ny lokan’ny « Castel Live » i D-Lain.

Tsy ampy fifaninanana ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Antony iray « mampihodinkodina » ny lentan’ny mpanakanto malagasy io tranga io. Na tsy ho vita aza ny fikarakarana fifaninanana. Tokony homena lanja ny fifanakalozana. Maro be ny talenta vao mifoha no very an-dalana, satria, tsy mba nanana mpitari-dalana na nanana mpanoro mba hizorana any amin’ny lalana tsara ahafahana mivelatra. Ny fifanakalozana samy mpanakanto malagasy no tokony ho fototra iaingana. Manaraka ny Malagasy sy ny vahiny.

Manan-talenta avokoa ny olona tsirairay ? Hatramin’izao, marina io. Saingy, ilay talenta mihitsy no toa miafina ho an’ny sasany. Mila fahaizana ny famohazana talenta ? Eny, raha toa ka fahaizana no hisokajiana ny fitaizana sy fanabeazana. Izany hoe, nanjary tsy nahay nanabe sy nitaiza intsony ve ny Malagasy matoa sarotra ho an’ny tsirairay ny mamantatra ny talenta ao aminy ? Eny, amin’ny ampahany ihany, satria, ilay kilalao, na angano, na tantara, sns, hoenti-mamoha talenta mihitsy no tsy hita anaty fiarahamonina intsony.

Partager sur: