Fantatra tamin’ny alatsinainy lasa teo, fa ny Alemà no hihaona amin’i Frantsa, amin’ny lalao ampahefa-dalan’ny fifaninanana taranja handball “Championnat du Monde 2023”. Lalao izay natao ho an’ny sokajy “Sénior” lehilahy. Izany dia ho tanterahina any Pologne, anio alarobia 25 janoary.
Tsiahivina fa mitana ny laharana faharoa tao amin’ny vondrona “3” misy azy i Alemaina, rehefa niondrika teo anatrehan’i Norvège, tamin’ny isa 26 no ho 28, ny alatsinainy lasa teo. Raha toa ka i Frantsa kosa no voalohany tao amin’ny vondrona “1”, rehefa avy nandavo an’i Espagne faha-2, tamin’ny isa 28 no ho 26, tany Gracovie.
Marihina fa ny ekipa frantsay no tena misongadina tanteraka amin’ity Fifaninanana ity, tsy mbola resy mihitsy izy ireo nandritra ny lalao enina ny fifanintsanana isam-bondrona .
Ankoatra izay, i Espagne kosa no hifandona amin’i Norvège, mitana ny laharana voalohany ao amin’ny vondrona “3”.
Fitia (Mpianatra asa)