Kitra – «Chan 2022»: be mpitsiriritra ireo mpilalaon’ny Barea

Anisan’ireo ekipa be mpanaraka any Algérie eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2022”, ny Barea de Madagascar.

 Taorian’ny fandresena indroa misesy azon’ny Barea de Madagascar, ka nahazoany ny tapakila hiakarana amin’ny ampahefa-dalana, ho an’ny “Chan 2022” manomboka mitodika any amin’izy ireo ankehitriny ny mason’ireo mpitily mpilalao avy any Eoropa. Raha tsiahivina, notsinontsinoavin’ny rehetra tany Algérie ny Malagasy, izay nantsoin’ny rehetra hoe : “Le petit poucet” na “l’Outsider”. Ny Barea irery mantsy ny hany ekipa sambany vao tafita amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina ity.

Hatreto, fantatra  fa misy mpilalao 3 na 4 efa ao anaty lisitr’ireo “agent recruteur” ireo ankehitriny. Anisan’ireny i Nina mpiandry tsatoby izay tsy mbola nidiram-baolina afa-tsy 1 ary nahavita nanakana baolina maro. Ankoatra izay, eo koa i Koloina sy i Tsiry Kely izay samy mpampidi-baolina ho an’ny Barea, tamin’ity “Chan 2022” ity. Be mpanaraka ihany koa i Dadafara, vodilaharana.

Araka ny tsiliam-baovao, efa misy klioba any Afrika koa mikendry an’i Rôrô, mpanazatra. Mampiaiky ireo mijery any an-toerana mantsy ny  endri-dalaon’ny Barea de Madagascar. Tsy mbola any anefa izao ny resaka fa ato anatin’ny fiatrehana ny ampahefa-dalana.

 Nahazo anarana i Koloina

Anisan’ny mpilalao be mpankafy, ho an’ireo mpanaraka ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity, eto Madagasikara i Koloina (Racool), laharana faha-7. Nahababo ny fon’ny rehetra ilay baolina faharoa matiny tamin’ny fihaonana tamin’i Soudan sy ny tolotra nataony ho an’i Tsiry Kely.

Nanomboka teo, nahazo anarana vaovao avy amin’ny mpankafy malagasy izy ka lasa hoe : KR7 (Koloina Razafindranaivo N°7). Tsiahivina fa izy no mpilalao voalohany nisantatra ny famonoam-baolina tamin’ity “Chan 2022” ity. Hatreto, baolina 2 no matiny tamin’ity fifaninanana, ity.

Tompondaka

Partager sur: