«Festival Miz’art» : Hifangaro ny kanto sy ny asa sosialy

Mikarakara hetsika « Festival multi-culturelle Miz’art » ny fikambanana Tokotanibe malagasy. Hotanterahina eny amin’ny La teinturerie, Ampasanimalo, ny sabotsy 30 aogositra izao izany.

Nambaran’ny filoha mpanorina ny fikambanana Tokotanibe malagasy, Rabezato Avotra Nomenjana­hary, fa anisan’ny hiaka-tsehatra amin’izany hetsika izany ireo mpanakanto misehatra amin’ny gadona samihafa toy ny mpanao vakodrazana, ny « Fusion », ny vakisôva, ny gadona Rap, hira madinika.
« Malalaka be ny sehatra ho an’ny mpanakanto rehetra ary hisy ireo tarika tsy ampoizina ho avy eny an-toerana », hoy izy. Nanteriny fa hetsika ma­neho fizarana ho an’ny rehetra, araka ny anarany « Miz’Art ». Nanteriny fa mba mila mijery sy maheno ireo gadona samihafa ny mpijery ho avy eny Ampasanimalo, amin’io fo­toana io.
Eo amin’ny varotra fampirantiana kosa, nambarany fa natao hanomezana sehatra ny mpanakanto, toy ny sary ho­sodoko sy ny varotra asa ta­nana ary vokatra ho amin’ny fampandrosoana izany. Eo koa ny fampahafantarana ny fanorona ary hisy ny famelabelarana ny momba io lalaon­tsika io.
Hanampiana ireo zanaky ny sahirana

« Hatokanay ho fanam­piana sy fiahiana sosialy ho an’ireo zanaky ny sahirana eny amin’ny EPP Anosibe, ho­tanterahina amin’ny volana oktobra izao, hetsika izao », hoy izy. Hatao hampivelarana ireo ankizy sy tanora mba ho olom-pirenena vanona sy ho andrin’ny fianakaviana izany nefa koa hijerena ireo ankizy manana fahaizana na talenta ka hanampiana azy ireo. Mai­maimpoana ny hetsika nefa kosa anentanana ny rehetra hitondra ny tsirambin’ny ta­nana ho an’ireo ankizy: kojakojam-pianarana, akanjo, kilalao, araka ny nambarany ha­trany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: