Fampitam-pahalalana: Mila havaozina ny fanontana boky

Loharano tsy ritra. Talo­han’ny taona 1980, niroborobo ny fanontana boky, satria, sehatra maro no mbola nampiasana izany. Mbola nazoto ny mpanoratra… Taona 2025, mila havaozina ny fanontana ireny boky ireny. Maro be amin’ ireo boky navoaka tany amin’ ny taona 1960 – 1975, ohatra, no mirakitra tantara fototra niainan’ny Malagasy fahiny. Tsy hita firy intsony izy ireny, kanefa, mitondra fanabea­zana sy fahalalana goavana ho an’ny taranaka aty aoriana. Ilaina ny manao fanontana vaovao amina isa maro ireny boky ireny.

Hatramin’izao, anefa, ny fanavaozana ny fanontana ireo boky nivoaka tany aloha, tsy misy. Fanontana boky vao­vao, tsy ampy. Antony mam­pihena andro aman’alina ny
« sakafon-tsaina » eo amin’ny Malagasy sy ny taranaka aty aoriana. Raha nisy nanohy tsy tapaka, ohatra, ireo famoa­hana ny boky nosoratan’i E.D Andriamalala, Clarisse Ratsi­fandrihamanana, Dr. Joseph Rakotonirainy, Régis Raje-misa-Raolison, sns. Raha natao ihany koa izay hielezan’ ireo boky natonta ho eny am-pelatanan’ny Malagasy. Ni­tombo nanaraka izany ny fahaizana amam-pahalalana ananan’ny taranaka Mala­gasy.
… Mila velarina ihany koa ny sehatra na tontolo hanapariahana ny boky. Any an-tsekoly (fandaharam-pianarana), any amin’ireo trano famakiam-boky, sns.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: