Fanabeazana sy fampianarana: Mila omen-danja ny maha izy ny Malagasy

Beazina eo anivon’ny tokantrano. Ampianarina any an-tsekoly. Samy manalasala avokoa ny vokatra azo avy amin’izany. Misy zava-tsy mety sy tsy mirindra ao…

Ireo ray aman-dreny manabe, Malagasy. Ireo mpampianatra mampianatra, mbola Malagasy ihany koa. Fa maninona ireto vokatra no hafahafa be? Zaza sy tanora malagasy, tsy mahalala na tamingana ohabolana na angano malagasy iray akory. Tahaka izany koa ny any an-tsekoly. Misy ny taranja malagasy. Ka nahoana ny mpianatra any amin’ny kilasy famaranana no tsy mahay manavaka ny fampiasana ny « afaka » sy ny « azo »? Maninona no tsy mahay mandrasa ny teny « harena »? Nahoana no sady tsy mahay no tsy mahalala ny zotra sy ny dingana vitan’ny vary (foton-tsakafon’ny Mala­gasy) mandrapahatongany ao anaty lovia?…
Misy zavatra tsy mirindra sy tsy mitohoka ary tsy mandeha amin’ny laoniny ao ambadika ao. Rafitra tsy mandeha amin’ny laoniny. Ray aman-dreny, tsy mampita ny momba azy sy ny razany any amin’ireo taranaka. Hany ka manaotao foana, mihinankinam-poana, miteniteny foana ny taranaka. Ny any an-tsekoly, fandaharam-pianarana, tsy misy ifandraisany amin’ny zava-misy sy iainana eny amin’ny fiarahamonina. Ny fanabeazan’ny manodidina, zara raha maneho ny maha izy ilay toerana sy ny mponina ao aminy. Ankoatra ireo, ny tsindry vokatry sotasota isan-karazany, mitarika any amin’ny fiovana na fialana amin’ny fototra.
Tsy voafetra amina faritra na fototra na fomba, sns, iray ny maha izy ny Malagasy. Noho izany, mila ampifanarahana amin’ny zava-misy sy amin’ny fototra ny fanabeazana sy ny fampianarana eto Madagasikara. Velarina tsikelikely izany mba tsy ho fahalalana voahidy na mihidy. Io tranga io ilay fonosin’ny fehezan-teny: « harena ny fahasamihafana ». Raha tsy tafapetraka eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana sy ny fampianarana ity lamina voajanahary ity, ho sarotra ho an’ny taranaka miaina amin’izao sy atsy aoriana ny mbola hitonona ho Malagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: