Tafiditra ao anatin’ny maherifon’ny firenena ny Ampanjaka Toera sy ireo mpitari-tafika notapahin-doha ny taona 1897. Nentin’ny mpanjanaka tany aminy ny kabeson’izy ireo… Omaly no namerenan-dry zareo izany.
128 taona aty aorian’ ny namonoana sy nanapahan-doha azy (alin’ny 29 aogositra 1897). Natolotry ny fanjakana Frantsay tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tao Paris Frantsa, ho an’i Madagasikara, ny kabeson’ny Ampanjaka Toera sy ireo mpitari-tafika roa lahy niaraka taminy… Midika ho fandresena ara-diplomatika ho an’i Madagasikara sady voninahitra sy hasin’ny tanindrazana, araka ny nambaran’ ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, izay nitarika rahateo ny delegasionina malagasy any an-toerana. Nohamafisiny fa « tafaverina amin’ny fomba ofisialy amin’i Madagasikara ny kabeson’ny Ampanjaka Toera, araka ny ezaka sy ny fampanantenana nataon’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny 6 novambra 2020 ». Fantatra fa ao anatin’ny voninahitra fara-tampony no andraisana azy ireo eto Madagasikara manomboka ao Antananarivo Renivohitra ka hatrany amin’ ny toerana hanakambanana azy amin’ny taolambalony any Menabe. Raisina amin’ny fomba mendrika sy sahaza ny maherifon’i Madagasikara.
Ny faramparan’ny taonjato faha-19 ny vanim-potoana nanjakan’ny Ampanjaka Toera. Fantatra fa vao 13 taona monja izy dia efa nasandratra ho mpanjaka ary nitantana am-polo taonany ny fanjakana Sakalava. Nanana fitiavan-tanindrazana lehibe izy. Tsy nanaiky lembenana tamin’ny nataon’ny mpanjanantany Frantsay.
Ampanjaka Toera, mpanjaka matsilo, mpitari-tafika nikoizana sy natahorana. Nanana fahasahiana niatrika ny basy aman-tafondron’ny tafika Frantsay. Ny fanoherana notarihiny no anisan’ireo afo farany nanakana ny fakana tanteraka an’i Madagasikara ny taona 1897, taorian’ny nandefasan’ny mpanjanaka sesitany ny Mpanjaka Ranavalona III.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto




