« Labdihy » andiany faha-11: Hanambatra talenta roa ny « Tezambita velona »

Nosokafana, omaly, tao amin’ny Institut de civilisation musée d’art et d’archéologie université d’Antananarivo (ICMAA) Isoraka ny Labdihy. Hetsika manasongadina ny tontolon’ny dihy sy ny asa fa­moronana ao anatiny. « Tete­zambita velona », anarana sy lohahevitra isaloran’ity an­diany faha-11 ity.
Hanambatra talenta roa ananan’i Maromaitso sy Hani­triombalahimbaviantitra. I Maro­maitso (Ariry) eo amin’ny tontolon’ny famoronana akanjo sy zaitra. I Hanitriombalahim­baviantitra maneho ny asa fa­moronana eo amin’ny ravaka sy angovo. « Ny fipetraky ny ravaka dia efa manome hery sy onja, sahady any anaty atidoha. Izany hoe, manandrana manangana tontolo iray izahay », hoy i Maromaitso. No­hamafisiny fa « raha mpanao soradihy ianao tsy tokony hionona fotsiny amin’ny fitadia­vana soradihy fa azo atao ny miankina amin’ny tontolo iray. Aza hadinoina fa avy amin’ny asa famoronan’ny olona ireny zava-miavaka sy kanto ireny ».
Tabilao na fafana miisa 6 no anehoan’izy mirahalahy ny fitambaran’ny sanganasany. Mifanaraka amin’izany ny isa sy ny loko ampiasaina. Fafana voalohany, loko maitso, iray ihany ny tabilao. Ny fafana faha­roa, tabilao roa, mitondra ny loko mena… Fafana fahenina, tsy ahitana tabilao mba ahafahana miverina sy mihodina tsy tapaka (hery sy onja) any amin’ ny tabilao voalohany. Haha­ritra herinandro ny Labdihy fa iray volana eny an-toerana kosa ny fampirantiana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: