Iray amin’ireo toerana sy sehatra ahafahan’ny zavakanto mivelatra ny etsy amin’ny Fondation H Ambatomena. Karazan-kanto samihafa no handrafitra ny volana septambra eny an-toerana.
Toerana tsy zoviana amin’ny mpanakanto sy ny talentany intsony ny etsy Ambatomena misy ny Fondation H. Amin’io volana septambra hitsidika tsy ho ela io, feno tanteraka ny fandaharam-potoana ho an’ny hetsika samihafa. Isaky ny alarobia (3, 10, 17 ary ny 24 septambra) amin’ny 2 ora ka hatramin’ny 4 ora tolakandro no hanatanterahina ny «Ateliers Hay». Hanehoana momba ny «wax» na irony lamba maro soratra (ifangaroan’ny loko maro) fanaovan’ny afrikanina akanjo irony. Lamba fantatra maneran-tany izy io sady mampiavaka ny faritr’Afrika andrefana. Amin’ity atrikasa ity, hiavaka tanteraka ny fametahana loko amin’ny «wax», satria, tsy ilay vita avy any amin’ny orinasa fa atao amin’ny alalan’ny tanana.
Tahaka ny nahazatra isaky ny sabotsy. Hisy hatrany ny « Les samedis de la Fondation H » manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ka hatramin’ny 4 ora hariva. Ny 6 septambra, hiaraka amin’i Ledama, mpanakanto sady mpanamboatra zavamaneno ao anatina seho sy fifanakalozana. Hampahafantatra ireo zava-bitany i Ledama. Hitafa mivantana amin’ireo mpanatrika ihany koa. Ny 13 septambra, hadihevitra sy fifanakalozan-kevitra hiompana amin’ny lohahevitra: « Ny maha zava-dehibe ny famondronana ireo vakoka ara-kolontsaina afrikanina ao anatin’ny sanganasan’i Yinka Shonibare”. Ny 20 septambra, atrikasa ho an’ny olon-dehibe, hiompana amin’ny asa famoronana momba
ny sora-damba takarina avy amin’ny fahaizana mifehy ny « wax ». Ny 27 septambra, fampahafantarana ny momba ny fampirantiana « Safiotra » (Hybridités/Hybridities), mirakitra ny sanganasan’i Yinka Shonibare.
HaRy Razafindrakoto




