Raha hidirana lalina: Misy banga lehibe ny kolontsaina malagasy

Firenena anisan’ny manana kolontsaina maro sy miavaka ny Malagasy. Lehibe rahateo ny velaran-tany. Maro manaraka izay ihany koa ny endrik’ireo kolontsaina ao anatiny. Manomboka miha maivana tsikelikely anefa izany…

Kolontsaina endrika ive­lany. Kolontsaina poakaty. Kolontsaina very fototra… Endrika maneho fahabangana na tsy faham­piana tahaka izany no hita rehefa miditra lalindalina ny fanadihadiana momba azy ireny. Mikabary ireo lazaina ho mpikabary. Ny androato­kony, fampihomehezana avy amin’ny kivalavalan-dresaka. Ny hafa, ny ambaran’ny va­vany aza tsy fantany akory.
« Isika izao no atao hoe toro vato nandiavana… », hoy ny mpikabary. Ny vato nandia­vana aza, anefa, tsy fantany akory. Ny mpanandro sasany, tsy mahalala akory fa rehefa alahamady, « tsy maintsy » tranga tahaka izao no hita. Hany ka any amin’ny ririnina mbola ambara ho alahamady ihany. Milaza ho mpitendry valiha, kanefa manafangaro ny velombaliha amin-javatra hafa, sns.
Ampahany amin’ny tranga manamaivana ny tontolon’ny kolontsaina malagasy ireo. Mahavariana, anefa, fa ny manitsy tsy misy. Ny ahitsy, tsy manaiky. Ireo efa niteny, leo. Mihen-kasina ny kolon­tsaina malagasy. Nanjary ratsy fototra. Mitsingevana… Nanaraka izany ihany koa ny hasin’ny Malagasy manoloana ny tena zava-misy marina… Satria, ireo fototra mihitsy no tsy hay sy very.
Mbola azo antsoina ho mpikabary ve ny tsy mahalala ny aloaky ny vavany? Mpanandro ve no ian­tsoana ireo tsy mahafantatra akory ny orim-bintana?… Io endrika fisalorana anarana tsy sahaza ny kolontsaina malagasy io ihany koa no iray amin’ireo mampihen-danja azy sy ny Malagasy. Amin’izao vanim-potoana izao aza, mbola misy ny omena na ampisalorana na mitonona ho « Maître » na « Grand Maître », sns, amin’ny kolontsaina na zavakanto hiseharany.
… Mila fanarenana goavana ny « aty fana­hin’ny kolontsaina malagasy ». Tsy tokony hijanona eo amin’ny endrika ivelany fotsiny fa mila miditra lalindalina kokoa hatrany… Tonga any amin’ny fototra, avy eo.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: