Ny iray fantatra kokoa amin’ny « revy gilita », ny iray manan-talenta amin’ny jazz. Samy mpitendry gitara , mamoaka mozika hafa mihitsy anefa rehefa tafaraka i Joël Rabesolo sy i Erick Manana.
Samy mpitendry gitara. Izay aloha no tena ahafantarana azy mirahalahy. Mety tsy mitovy ny fironana eo amin’ny mozika, saingy porofo kosa fa tsy misy ny fefy amin’ny famoahana aingam-panahy, rehefa mahita ny fiarahan’i Erick Manana sy i Joël Rabesolo an-tsehatra. Taona vitsivitsy lasa izay no teraka ity tetikasa iray ity, taorian’ny fihaonana teo amin’ny roa tonta. Efa maro ireo niarahan’i Joël Rabesolo sy i Erick Manana tany ivelany, izay hotohizana eto an-tanindrazana.
Hiara-higadona eto, ka any Antsirabe, no hotontosaina ny seho voalohany. Hatao ny alakamisy 4 septambra izao, manomboka amin’ny 4 ora hariva, ao amin’ny Le Rêve. Tanàna nahalehibe an’i Joël Rabesolo sy manan-tantara ho an’ny ankamaroan’ireo mpiangaly gitara rahateo Antsirabe. Ny sabotsy 6 septambra kosa ny seho faharoa sy goavana indrindra, ao amin’ny CCEsca Antanimena. Hifarana any Fort Dauphin izany, ny alahady 7 septambra, ao amin’ny Vintana Hôtel, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina.
Hihodidina ny hiran’i Erick Manana sy Razilinah, amin’ny fiangalian’izy mirahalahy azy ny seho. Hivoaka kely amin’ny mahazatra izany, satria manana ilay fironany amin’ny fitendrena gitara mampiavaka azy i Joël Rabesolo. Mpiangaly jazz rahateo no nahafantaran azy teo amin’ny sehatry ny mozika voalohany, ary efa nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana mitendry jazz, nokarakarain’ny onjampeo RLI tamin’izany fotoana. Notozoiny, ka nahazoany ny mari-pahaizana ambony amin’ny fitendrena gitara jazz tany Frantsa izany, ny taona 2023. Vao mainka tombony ho an’i Joël Rabesolo ny fifehezana ny gitara amin’ny tendry havia, ary manome aina vao ny rindran’ireo hira efa faheno taloha, toa ny «Dobla sento» izay niarahany tamin’i Erick Manana. Tsy voalohany ny fampiarahana talenta amin’
ireo mpanakanto zandriny ho an’i Erick Manana. Tetikasa hafa sy nihodina be ihany koa ny fiarahany tamin’ny Ralah Trio, izay tanora malagasy mpitendry karazana mozika iraisam-pirenena.
Toy ny efa fanaony rehefa mandalo an-tanindrazana, tsy mahafoy ireo namany indray nihira taminy i Erick Manana. Niantso an’i Benny, Kolibera ary i Nini, izay samy ao amin’ny tarika Feo Gasy, izy hanampy azy sy i Joël Rabesolo amin’ireo seho ireo. Mbola mifamotoana ka hiray sehatra amin’ireo rahalahiny ao amin’ny Lôlô sy ny tariny ihany koa i Erick Manana, mandritra ny «Tafan-gilita Festival», izay hotontosaina ny 13 sy 14 septambra izao, ao amin’ ny Kianja Barea Mahamasina.
Zo ny Aina




