TARATRY ny KANTO

Fahatsiarovana an’i Vola sy Noro. Hanodidina izay ny « Sentimental », andiana hetsika karakarain’ny Hakanto Temporary eny Ankadimbahoaka, anio ma­nom­boka amin’ny 2 ora tolakandro. Hiaraka hikalo ireo hira nahafantarana an’i Vola sy Noro, araka izany, ireo mpankafy azy ireo. Hamelombelona ny fahatsiarovana ny taona maro nivalona sy ny vanim-potoana no marihin’ireo hiran’izy mirahavavy, izay tsy lefy laza hatramin’izao.
Manodidina an’i Anja Z sy i Esther Nirina indray ny « Café Histoire » eny amin’ny Mozean’ny saripika Anjohy, anio manomboka amin’ny 10 ora tolakandro. Hitari-dresaka momba ireto vehivavy nanamarika ny feo sy ny poezia malagasy ireto i Na Hassi. Ve­hivavy mpanoratra sy poeta rahateo izy, ary manan-kozaraina ho an’ireo liana sy mankafy izany. Ankoatra ny momba ireo poeta, hiresaka indrindra ny sanganasan’izy ireo i Na Hassi.
Tonga eto koa Ramaka. Iray amin’ireo nandrafitra ny tarika Njila andiany faharoa sy naharitra indrindra tao izy. Hiray sehatra amin’i Njila mandritra ilay seho izay hotontosaina ao Antsahamanitra, manomboka amin’ny 3 ora, Ramaka. Hamerina indray ireo hiran’ ny tarika nanamarika vanim-potoana maro, miaraka amin’i Poopy izy ireo. Hameno ny banga eo amin’ny feo i Mahery, tarika Johary.
Tsy mahay mihaino? Mety ho izay tokoa ny mahazo ny Malagasy sasany manoloana ny fivoaran’ny teknolojia. Ilay mozika (hira, tononkira, feon-javamaneno…) tsy manalavitra ny voajanahary, nanjary nihataka amin’ny Malagasy. Antony iray nahatonga izany ny fanabeazana. Hira tsy misy fotony (mitsingevana, maivana…) no heno any amin’ny ankamaroan’ny haino aman-jery. Heno eny am-bavan’ireo lazaina ho raiamandreny sy ny mpanabe sasany.
Manao afon’ampombo. Manomboka miroborobo fatratra ankehitriny ny fianarana zavakanto sy kolontsaina. Ety am-boalohany, maro be ny mpianatra… Afaka volana vitsivitsy… Zara raha misy mianatra. Tsy ny fianarana no tsy mahaliana, fa ny Malagasy no nanjary nanana sy nampanjaka ilay toetra tsy mahari-boakena. Taitran-drandrambao. Satria nozarina sy notezaina tamina tolorana zava-mora. Manindry bokotra, mivoaka ny valin’ny kanjy, sns. Eo ihany koa ny rotoroto izay zary tonga fiainana andavanandro. Mila valiny maika!

Partager sur: