Fampivelarana ny talenta: Mitady ny maimaimpoana hatrany ny Malagasy

Izao ariary ny hasintanana. Misy sarany ny fampianarana. Misy fandraisana anjara tahaka izao satria misy fandaniana atao… Tsy ireo velively no tian’ ny Malagasy henoina raha vao miresaka fampianarana zavakanto na kolontsaina. Ny azy, mila tolotra maimaimpoana hatrany. Fihetsika mametraka ny kolontsaina sy ny zavakanto ho tsinontsinona? Tsy misy sandany? Maiva­­­na? Tsy mby ao an-tsain’ny Malagasy loatra ireo fanontaniana ireo.
… Satria, tsy nobeazina ta­min’ny fahaizana amam-pahalalana momba ny soa azo avy amin’ny kolontsaina sy zavakan-to ny Malagasy. Nanadino ny fifanomezan-kasina ihany koa. Vokatr’ireo, tsy fantany intsony fa manana fivelarana goavana amin’ny maha olona ny voataiza ami­na zavakanto sy kolontsaina. Manana saina ma­ranitra sy tony, fo emboka, fa­nahy mi­velatra. Afaka mampiasa tsara ny feon’ny fieritreretany…
… Ireny soa ireny, anefa, no fantatry ny Amerikanina, Sinoa, Anglisy, sns, ka mahatonga azy ireny mametraka ho laharam-pahamehana ny fianarana zavakanto sy kolontsaina. Ireny no mametraka azy ireo ho eny amin’ny laharana voalohany amin’ny lafim-piainana maro. Ny zaza amerikanina iray, vao mifoha, tsy maintsy mihaino mo­zika klasika mialoha ny ha­naovany zavatra hafa. Ny fandaharam-pianarana any amin-dry zareo Sinoa, tsy maintsy ampidirana fianarana zavakanto sy ko­lontsain-drazana. Ny an’ ny Malagasy, ezahany fafana?

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: