Tsy tokony hisy adihevitra intsony… Mbola Raboussa irery, hatreto, no mpiangaly ny rap gasy nameno ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Tsy voalohany izany, saingy mbola noporofoiny indray fa anisan’ireo mpanakanto sangany, be mpankafy ary tompon’ny rap gasy ny tarika. Tsy nisy nodiavina ny lapa, rakotr’ireo mpankafy izay efa misy sokajin-taona samihafa. Tsy nahagaga loatra, satria ivon’ny fanamarihana ny 25 taona an-tsehatra ny seho omaly, hoan-dRaboussa.
Matoa namaly antso ny mpankafy, avo lenta ny ara-javakanto. «Tonga indray, rehefa tsy hitahita teo ilay kaofiboay, hoy ny tononkira nampidirany ny fampisehoana. Anisan’ireo mpanao rap nampiditra mpitendry eny an-tsehatra Raboussa ary tombony lehibe sy anisan’ny antony maha tsy mety lefy laza azy izany. Niainana kokoa ireo hira, na ireo efa tranainy toa ny «tsiky sy tomany», « Alaiko sipa, alaiko vady», mandalo ny «ohatran’lah ihany za», «Aleo izy ho any», sns, hatramin’ireo taty aoriana.
Fotoana nafana indrindra tamin’ny fiarahana koa ny nampiakaran-dRaboussa ireo mpanakanto nasainy manokana. Voalohany tamin’izany ny tarika Da Hopp, izay anisan’ireo nisava lalana ny rap gasy teto amin’ny tanàna ihany koa. Nanaraka avy eo ry Samoela, izay nampiara-peo taminy nialoha ny nanaovany ny «Hafaliana». I Malala ‘Zay, niara-niredona ny «Hatramin’ izao» porofon’ny fifandraisana efa ela teo amin’ireto mpanakanto ireto. Teo ihany koa i Do B, tompondaka maneran-tany amin’ny Beat Box, izay vahiny tampotampoka, nameno ny sary maha raitra ny seho. Dingana lehibe indray no vita ho an-dRaboussa sy ny SR Event, mpikarakara.
Zo ny Aina




