« Festival Tsôlabe » : Nanandratana ny kolontsaina ao Sainte-Marie

Tratra ihany ny tanjona, na dia tsy tomombana tanteraka aza. Niverina amin’ny lazany ny « Festival Tsôlabe », tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao Sainte Marie.

«Fety Be ». Izay ny dikan’ny « Tsô­la­be », any amin-dry zareo antanosy, ao Sainte Marie, na Nosy Boraha. Avy amin’izay no nakana ny anaran’ity hetsika ara-kolontsaina sy ara-toekarena ity. Niverina indray ny hetsika, izay tontosa ny faran’ny herinandro teo. Raha natao ny jery todika, tafaverina ny lazan’ny “Fes­tival Tsôlabe”. Niara-nisalahy na vahiny na tompon-tany, naha tomombana ny fandaharam-potoana rehetra. Natom­boka tamin’ny « Tsimandri­man­dry » izany, ny alin’ny alakamisy teo. Fomba Betsi­misaraka, midika ho firariana fety izy ity, izay fanao ho fanokafana fotoan-dehibe. Tao­rian’izay ny « carnaval », na­ne­hoana sahady ny kolontsaina antanosy sy Betsimisa­raka, tamin’ny alalan’ny fitafy, dihy sy hira vakodrazana, taovolo, sns. Narahana tolon’omby sy moraingy izany. Mazava loatra fa fotoana lehibe indrindra amin’ny hetsika ara -kolontsaina toy izao ny fampisehoana goavana. Mpana­kan­to maro no nifandimby an-tsehatra nandritra ny telo alina, nahitana an-dry Lôla, Rim Ka, Tence Mena, Joupa Bango, Espérance, Martin le Jaguar,sns.
Tsiahivina fa nanomboka ny taona 2009 no efa nisy ny « Festival Tsôlabe » tao Sain­te Marie. Nijanona nandritra ny 5 taona izany, noho ny Covid 19. Izao niverina izao indray, ary avy hatrany dia nahazo ny lazany taloha. Ankoatra ny fanandratana ny zavakanto sy ny kolontsaina, hetsika natao ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana an’i Sainte Marie koa ny Tsôlabe. Manintona mpizahatany vahiny sy Malagasy mantsy ny hetsika, ka mampihodina ny fihariana isan-tsokajiny ao an-toerana ihany koa.

Zo ny Aina

Partager sur: