Velakevitra am-pamoloana, rahampitso alarobia 3 septambra, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy. « Ny simian’ny fitiavana », hovelabelarin’i Hobiana Andrianimerina sy ny « Herin’ny teny eo amin’ny fitiavana », hoentin’i Mi Ramanitra. Samy mpanoratra ireto hampianoka ny hakanton’ny literatiora eo amin’ny fitiavana ireto.
Nizara ny traikefany i Lova Ramahefason. Nahaliana ireo mpitendry gitara, na mbola mpianatra, na efa manana traikefa, ny fizarazana nataony, tetsy amin’ny CGM Analakely, omaly. Mpitendry gitara, fa indrindra mpampianatra gitara, no tena ahafantarana an’i Lova. Manana traikefa manokana amin’ny fampianarana mozika ampitain-davitra ihany koa izy.
Nodimandry i Mamy, mpitendry vata maroafitsoka. Mamy « Degany » no fiantsoan’ny namany ao anatin’ny mozika azy. Mpampandihy no tena nahafantarana an’i Mamy. Nanaraka tarika maro, toa an’i Firmin ihany koa anefa izy. Naneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakaviany ireo namany mpiara-nanao mozika.




