Nidina ho 68 dolara ny vidin’ny iray barila (1 barila= 159 litatra) eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mihena manaraka io ihany koa ny vidiny eto an-toerana.
Araka ny efa fantatra, miova isam-bolana ny vidin-tsolika eto amintsika, manaraka ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Araka ny fifanarahana amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), tsy mihoatra ny 200 Ar/l ny fiovaovan’ny vidin-tsolika isam-bolana. Amin’ity volana septambra ity, nihena 30 Ar, lasa 5 090 Ar ny litatry ny lasantsy (SP95), raha 5 120 Ar/l izany, ny volana aogositra. Nihena 170 Ar/l ny gazoala (GZ), lasa 4 530 Ar/l raha 4 700 Ar/l teo aloha. Nisondrotra ho 3 380 Ar/l kosa ny solitany fandrehitra (PL) raha 3 210 Ar/l, ny volana aogositra, izany hoe, niampy 170 Ar/l.
Hita fa tsy nitsaha-nidina ny vidin-tsolika eto amintsika, tato anatin’ny roa volana, satria nihena 200 Ar/l ny lasantsy, ny volana aogositra, miohatra ny tamin’ny jolay, ary samy nihena 170 Ar/l ny gazoala sy ny solitany fandrehitra.
Midika ireo fa manaraka ny fiovaovan’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny mihatra eto amintsika. Na izany aza, marihina fa ny vidiny tamin’ny roa volana lasa no ampiharina eto Madagasikara, araka ny fanazavana avy amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo. Satria, manodidina ny roa volana ny fe-potoana hitateran’ny sambo mankaty Madagasikara. Izany hoe, ny vidiny tamin’ny volana jolay no ampiharina amin’izao volana septambra izao.

Tsy nidina ny saran-dalana
Ny fiara mpitatitra no tena mampiasa solika, indrindra ny gazoala. Izany hoe, hita any amin’ny saram-pitaterana ny fiovaovan’ny vidin-tsolika. Tsy hita taratra mihitsy anefa io fidinan’ny vidin’ny gazoala io, satria raha aravona ny nampiharana ny tena vidin-tsolika ny janoary 2025, tsy nidina mihitsy ny saram-pitaterana, fa vao mainka aza nisondrotra, nanomboka ny volana jolay 2025 teo. Fotoana nanombohan’ny fialantsasatra lehibe rahateo io fotoana io, ka mahamaro ny mpandeha mankany amin’ny faritra. Izany hoe, tsy manan-tsafidy ny mpandeha, fa tsy maintsy manaraka izay tian’ny mpitatitra. Nambaran’ny kaoperativam-pitaterana sy ny tompon’ny fiara, fa ny vidin’ny kojakojan’ny fiarakodia no lafo, noho ny haratsian’ny lalana.
Ady ara-toekarena ataon’i Trump
Araka ny voalaza etsy ambony, manaraka ny onjan’ny fiovaovan’ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena no ampiharina eto Madagasikara. Raha ny fanazavan’ny manampahaizana ara-toekarena sy ny solika, tsy mitsaha-mitombo ny filana, izany hoe, ny tinady ho an’ireo firenena mpamokatra sy mpanondrana solika, mivondrona ao anatin’ny Opep ho an’ity taona 2025 ity.
Manodidina ny 68 dolara ny barila amin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, omaly 1 septambra. Nahatratra 72,62 dolara/barila izany ny 31 jolay teo, ary tsy mitsaha-midina. Efa tafakatra 81 dolara/barila izany ny janoary 2025 ary izao mihena izao.
Ambaran’ny Opep fa hiakatra 1,3 tapitrisa barila isan’andro ny fitrandrahana solika ataon’izy ireo amin’ity taona 2025 ity, ary hitombo 1,4 tapitrisa barila isan’andro amin’ny taona 2026.
Vao maika hiakatra izany ny tinady ho an’ny taona 2026, satria mitombo ny fihariana ara-toekarena, na eo aza ny fampiakarana ny haban-tseranana ampiharin’ny filoha Donald Trump amin’ireo firenena manondrana entana any Etazonia.
Etsy ankilany, mihaona any Tianjin Sina ireo firenena tsy miara-dia amin’ny tandrefana, omaly 1 septambra 2025. Manodidina ny 20 ireo firenena mandray anjara, ka anisan’izany i Sina, Rosia, Torkia, India, Iran, Bielorussie, Mongolia, sns. Anisan’ny niresaka naharitra ny filoha rosianina Vladmir Poutine sy ny praiminisitra Indianina, satria manafatra ny 40% solika ilainy any Rosia i India.
Anisany avy amin’izany no mahatonga an-dry zareo amerikanina mampihatra tataon-ketra midangana be, +50% ny entana avy any India miditra any Etazonia.
Nanatontosa :
Njaka Andriantefiarinesy




