Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny Sehatra Bagasy volana septambra ny «Atrikefa bagasy hira voafantina». Hetsika hotontosaina ny sabotsy 6 septambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany ka hatramin’ny 5 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny efitrano malalaka Aro Antsahavola.
Fampisehoana sy fifanakalozana hanentanana ny mpikambana ao amin’ny Sehatra Bagasy sy ny olon-drehetra liana amin’ity zavakanto iray ity, ho fiomanana amin’ireo sahanasa sy fampisehoana mbola miandry, araka ny nambaran’i Lydie Ratefiarison, filohan’ito sehatra fifanakalozana ito.
Marihina fa anisan’ny manome lanja lehibe ny bagasy mba hipaka any amin’ny Malagasy ka hahatonga azy hiaina izany ny Sehatra Bagasy. Tafiditra ao anatin’ny fomba fiasany ny fanatanterahina fampisehoana, fifanakalozana. Fanomezana sehatra ireo tanora liana amin’ny fitendrena sy fihirana ny hira bagasy. Ahitana ny sokajin-taona rehetra rahateo ny mpikambana ao anatiny.
HaRy Razafindrakoto




