Mitohy hatrany ny fahombiazan’i Djokovic, mpilalao tenisy Serba. Tafita hiatrika ny lalao manasa-dalanan’ny fifaninanana “Open d’Ausralie Grand Chelem” ny tenany. Lavony tamin’ny seta 3 no ho 0 (6/1, 6/2, 6/4) i Andrey Rublev, mpilalao rosianina, omaly. Lalao izay natao tao amin’ny kianjan’i Rod Laver Arena.
Naharitra adiny roa mahery teo ny fihaonana. Nanjakan’i Djokovic tanteraka ny lalao. Araka izany, mora taminy ny naka ireo seta telo ireo. Somary hita teny amin’i Andrey Rublev kosa ny fahakizintinana amin’ny fahadisoana ara-teknika nandritra ny fifandonana. Hihaona amin’ilay Amerikanina Tommy Paul izy eo amin’ny lalao manasa-dalana. Lalao izay hotanterahina ny zoma 27 janoary ho avy izao, ao amin’ny kianja Rod Laver Arena ihany.
Fanamby goavana ny miandry an’i Djokovic. Mety ho amboara faha-22 ho azy ity, amin’ny “Grand Chelem”. Tsiahivina fa i Nadal mpilalao espaniola dia efa nahazo ny “Grand Chelem” in-22.
Azo heverina ny hihaonan’i Tsitsipas, laharana faha-4 sy i Djokovic laharana faha-5 eo amin’ny filaharan’ny ATP, amin’ity “Open d’Australie” ity. .
Fitia ( Mpianatra asa )