Nioty vokatra tsara amin’ny ankapobeny ny solontena malagasy niatrika ny fifaninanana NBA 2k23 eFiba andiany voalohany, taranja basikety. Fifaninanana “jeu video” nandraisan’ny firenena afrikanina 30 anjara, izay notsinjaraina ho 6 isam-bondrona izy ity. Tompondaka lefitra i Madagasikara rehefa lavon’i Maraoka teo amin’ny lalao famaranana. Tsara io vokatra io ho an’ny Malagasy satria vao andiany voalohany ity fifaninanana nandraisana anjara ity kanefa tafapetraka eo amin’ny laharana faharoa ny ekipa malagasy. Raha hiverenana ny voka-dalao, ny ekipan’i Tonizia no nifaninana tamin-dry Timothy sy ny namany teo amin’ny manasa-dalana ka resin’ny Malagasy tamin’ny isa 56-35/54-23. Niarahaba sy nankasitraka ny ezaka vitan’izy dimy mirahalahy ny Federasiona malagasy ny basikety, indrindra tamin’ny fahasahian’izy ireo niditra an-tsehatra amin’ny fifaninanana goavana toy izao. Mbola maneho ny fahavononany hiatrika ny eFiba andiany faharoa izy dimy mirahalahy (Timothy, Francky, Andraina, Johan,Ranto).
Mi.Raz