Barea sy i Mozambika Ireo antontanisa teo amin’ny fihaonan’ny roa tonta

Ekipa diso mifankahalala tsara ny Mambas de Mozambique sy ny Barea de Madagascar. Raha ny isan’ny fihaonana, faha-11 ity hikatrohan’ny roa tonta ity, amin’ny asabotsy ho avy izao. Araka ny antontanisa, tamin’ireo lalao 10 efa nifandonan’ny roa tonta, samy nahazo fandresena inefatra avy izy ireo ary ady sahala ny roa.

Tany amin’ny taona 2004 ny fihaonana voalohany, fiadiana ny Cosafa, natao tatsy Afrika Atsimo ka resin’ny Mambas tamin’ny isa 2 no ho 0 ny Barea. Efa-taona taty aoriana, ny taona 2008, fifanintsanana ho an’ny “Mondial  2010”. Nisaraka ady sahala 1 sy 1 tetsy Mahamasina, nandritra ny lalao mandroso ny 15 jona ary nomontsanin-dry zareo 3 no ho 0, ny 22 jolay teo amin’ny fihaonana miverina.

Niatrika ny Cosafa indray ny 30 jolay 2008 ka mbola resin-dry zareo tamin’ny isa 2 no ho 1. Mbola Cosafa ihany ny taona 2017, lavon’ny Barea 4 no ho 1 ny Mambas. Fifanintsanana hiakarana ho an’ny “Chan 2018”. Nisaraka 2 no ho 2 teo Mahamasina ny 16 jolay 2017 ary resin’ny Barea 2 no ho 0 tatsy Maputo. Niatrika ny Cosafa indray ny taona 2018 ka resin’ny Barea 2 no ho 1 i Mozambique. Fifanintsanana ho an’ny “Chan 2020 ny fihaonana farany teo amin’ny roa tonta. Lavon’ny Barea 1 no ho 0 ny 28 jolay 2019 teo Mahamasina ary niondrika teo anatrehan-dry zareo tamin’ny isa 3 no ho 2 kosa tamin’ny lalao famerenana, natao ny 4 aogositra, io taona io ihany. Ity amin’ny asabotsy ity izany ny tsontsori-mamba isarahana ho an’ny Barea sy ny Mambas.

Tompondaka

Partager sur: