H.D.A – Tetikasa « Mahasaky » : Mila fantatra ny fomba fampiasana ny internet 

Miroborobo fatratra ny fampiasana ny tambajotran-tserasera eto Madagasikara. Misy fepetra tokony harahina anefa raha tiana ny hahazo vokatra tsara avy amin’izany, raha ny voarakitra ao anatin’ny tetikasa « Mahasaky ».

Omaly, tao amin’ny Le Pavé Antaninarenina, no nanakatonana ilay tetikasa « Mahasaky » niarahana tamin’ny ONG Human Development Action (H.D.A) sy ireo mpiara-miasa aminy tahaka ny Electoral Institute for Sustanable Democracy in Africa na EISA Madagascar. Tetikasa « Mahasaky », nifantoka tamin’ny fampiasana ny tambajotran-tserasera araka ny tokony ho izy, izay miom­pana kokoa any amin’ny tanora. Nihazakazaka be ny fitombon’ny isan’ny mpampiasa internet eto Madagasikara,
ka ny tanora no maro amin’ ireo. Taona 2022, nahatratra 2 800 000. Taona 2025, ni­tombo ho 6 600 000 izany. Ny fahitana io no antony nisian’ny « Mahasaky », raha ny fana­zavan’Andriatiana Judyh, lehiben’ny tetikasa.

Fanadihadiana natao

Mirona any amin’ny fifaneraserana sy fialamboly ny fampiasan’ny tanora ny tambajotran-tserasera. 5% ihany no manao izany ho loharanom-baovao. Ny tetikasa « Maha­saky » no nanentanana amin’ny fampiasana azy io mba hanehoana hevitra. Hane­hoana ny maha olom-pirenena koa, indrindra fa ho an’ny tanora. Iadiana amin’ny vaovao tsy marina izay miely amin’ io fitaovam-pifandraisana io. Maro rahateo no tsy mbola mahafantatra ny tombontsoa sy izay mety ho voka-dratsin’ ny fampiasana ny internet.
Nandalo dingana telo ny tetikasa. Fanadihadiana teny anivon’ny sekoly (kolejy – Oni­versite). Famoriana tanora ka nakana ny heviny momba ny fampiasana ny internet. Fam­pitana hafatra sy fanentanana. Nisy ihany koa ny fanatontosana horonantsary ho fampitan-kevitra, indrindra ho an’ny tanora. Anisan’izany ny fampiasana finday be loatra. Ny mahatonga ny tanora ho tafajanona maharitra eo amin’ny tambajotran-tserasera. Ny fomba fanamarinam-baovao, ny fiarovana ny angon-drakitra, ny fomba hatao hahaizana mifantina ny zavatra tokony halefa, sns.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: