Tena zava-doza, mitohy mandrakizao ny maty vokatry ny fanapoizinana sy fahapoizinana ara-tsakafo. Niampy iray ny teny Ambohimalaza, nisy roa teny Ampitatafika. Tsy mbola fantatra mazava ny toe-javamisy marina, manodidina ireo. Ilay afera nalazabe iny aza nivadika ho tantara indray miseho. Nangina ary mety hangina mandrakizay.
Ny maty aleo mba handry am-piadanana ny fanahiny. Ireo namoy ny havana ihany koa, aleo mba hisaona am-pitoniana. Mahakamo sy miteraka fanafintohinana indray ny firongatry ny fanehoana firaisankina amin’ny onja miiba. Toa manararao-paty, mitarika famendrofendroana sy famohazana fotamandry.
Na inona na inona zava-miseho anefa, ny fitandremantsika tsirairay izao no tena mahamaika. Raha mbola misy azo atao, hafa ihany ny mahandro any an-trano. Azo antoka ny fahadiovana sy ny kalitao. Tsy misy ahina ny singa sy ny tsiro fa voajanahary avokoa. Voasoroka ny akora simika andaniny, voafehy ny risika amin’ny poizina, ankilany. Tsy misy azo antoka afa-tsy ny fikarakaran’ny tena izay ampidirina am-bava.
Isika rahateo ihany matetika no mamorika antsika. Tsy tokony hadino rahateo fa na mamono na mamelona ny vavantsika io. Mila fahasahiana lehibe mizatra sy misahirana ny fikarakarana vatana. Tsy izay hita no harapaka, fa tsy maintsy mitaky fanovana fomba fiaina. Ekena fa sady tsy mandany fotoana no tsy mandany angovo na arina ny fisakafoanana any ivelany. Loza mihantona ho antsika anefa izany. Koa samia mitandrina!
r.r




