Tarika ‘Zay: Hisy seho roa mialoha ny any ivelany

Manohy ny lalany ny tarika ‘Zay. Hifamotoana indray amin’ireo mpankafy any an-dafy izy ireo. Mialoha izany, hisy ny fiarahana indroa misesy.

«Noho ny fangatahan’ ireo tsy nahazo ta­pakila, hampiantsika iray ny seho », hoy ny fa­nambarana nataon’ny tarika ‘Zay, omaly. Mahakasika ilay seho izay hotontosaina anio, amin’ny 8 ora sy sasany alina, etsy amin’ny Food Courts La City Ivandry izany. Efa lany mi­aloha mantsy ny tapakila fa­mandrihana, kanefa mbola maro ireo nitady. Araka izany, nanapa-kevitra ry zareo mpikarakara avy ao amin’ny RDJ sy ny tarika ‘Zay fa hampiana seho faharoa izany. Hatao ny alahady 7 septambra izao, ma­nomboka amin’ny 4 ora tolakandro, ao amin’ity toerana ity ihany.
Ireo daty roa ireo ihany, ha­treto no hifamotoanan-dry Ma­lala sy ny tariny amin’ireo mpan­kafy eto Antananarivo. Hande­ha hanao fitetezam-pirenena any Europe sy Canada mantsy ny tarika ‘Zay, aorian’ io. Any France ny seho voalohany, ny 13 septambra izao. Ao Paris, mazava loatra ny seho faharoa. Hitohy any Alle­magne izany, ka ny 20 septambra no efa daty raikitra. Any Canada, Montreal kosa ny ma­naraka, ny zoma 26 septambra. Fan­gan­tahan’ireo Mala­gasy monina any Canada efa an-taonany maro izy ity, fa izao vao ho tanteraka. Toy ny ma­hazatra, ny fitetezam-pirenena ataon’ny tarika, mbola hisy ny daty hafa ankoatra ireo rehefa any an-toerana.
Fanohizana ny lalan-tsaina nitondran’i Nary ny tarika fahavelony izao. “Mitohy hatrany foana ny lalan’ny tarika ‘Zay rehefa mbola mila ny hira ireo mpankafy, na aiza na aiza misy azy ireo”, hoy mantsy izy tamin’izany. Vato namelan-kafatra rahateo ry Malala, Haingo, Tovo, Mamy, Miora ary i Harty, izay manohy ny tantaran’ny Tarika ‘Zay, amin’izao ankatoky ny fanamarihana ny 30 taona izao.

Zo ny Aina

Partager sur: