Tontolon’ny soratra sy boky: Mihavitsy hatrany ny tantara foronina vaovao

Ny boky, zara raha misy iray mivoaka ao anatin’ny enim-bolana. Mandia lalan-tsarotra ny tontolon’ny soratra eto Madagasikara, raha ny tantara foronina sy ny boky mi­voaka mirakitra izany no jerena. Mihena tsikelikely ny isan’ ireo mpanoratra azy io. Ao ny talenta, manosika azy ireny. Saingy mila fotoana maharitra vao mety ho tafavoaka ho boky ny sanganasa iray, raha ny fanazavan’i Eric Ravalisoa, mpanoratra tantara foronina. Nohamafisiny fa mila jerena ny toerana hipoiran’ny tantara, raha ilaina. «Raha any Toamasina, ohatra, no he­ve­rina fa nisehoan’ny tantara. Ilaina ny mankany an-toerana. Tsy ho azo atao ny ma­noratra tantara foronina ka maminavina fotsiny mba tsy hisian’ny fi­fanoherana», hoy hatrany izy.
Ankoatra izay, mbola sa­rotsarotra ny mamoaka boky mirakitra tantara foronina. Tsy mahandry izany ny mpano­ra­tra ka somary nitodika any amin’ny tantara fandefa any amin’ny Radio. Mamo­rona ihany ny mpanoratra, saingy, tsy tafavoaka boky izy ireny fa heno any amin’ny haino aman-jery kosa. Na izany aza, tsy mbola maro ny mirotsaka amin’io noho ny fisian’ny fepetra hafa tsy itoviany amin’ny famoahana ny boky.
… Na tsy mitombo loatra aza ny isan’ny mpanoratra tantara foronina mahatafavoaka boky. Ezaka iray ataon’ny mpikirakira soratra ankehitriny ny mamerina fanontana vaovao, amin’ireo efa nivoaka.

HaRy
Razafindrakoto

Partager sur: