Fanehoana ny hatsaran’i Madagasikara: Namoaka clip « C’est la bella vita » i Paskero

Nampahafantarina omaly, tao amin’ny foiben’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara etsy Ambohi­dahy, ny fivoahan’ny rindrantsary (clip) « C’est la bella vita », sanganasan’i Paskero. « Tiako ity firenena ity. Babon’ny hakanton’i Mada­gasi­kara aho ka izay no anisan’ny antony lehibe namoahako ito rindrantsary ito », hoy ity mpihira teratany frantsay ity. Tany amin’ny volana jolay no nanomboka ny fakana ny sary raha ny volana avrily ny fandraisana ny feo. Fampia­rahana gadona roa mifameno « afro-latino » sy ilay feomangan’i Sarah Angel’s kosa no nanome endrika kanto ny rindrantsary. Marihina fa efa namoaka rindrantsary hafa talohan’ny « C’est la bella vita » i Paskero. Anisan’izany ny « Mademoiselle », « Magdalena », « Hey… Viens on va danser », « Casanova », « Djamila », « Mais où va le monde ».
Ankoatra ny kanto, mirotsaka amin’ny asa sosialy ihany koa i Pascal Guerin na i Paskero. Halefa amin’ny tambajotran-tserasera Youtube ity rindrantsary vaovao ity. Arakaraka ny “j’aime” voaray no hisian’ny vola hanampiany ny ONG Ny hoaviko Mada­gasikara, mikarakara ireo zokiolona mba hananan-dry zareo fahasalamana sy fiainana milamina ary tombonandro lava. I Paskero no anisan’ireo solontenan’ny ONG Ny hoaviko Madagasikara  any Fran­tsa. Hifandray amin’ireo mpiara-miasa any an-toerana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: