Seho tao amin’ny CCEsca Antanimena: Talenta roa mifameno ny an’i Erick Manana sy i Jöel Rabesolo

Raha atao indray mijery. Samy manana ny mampiavaka azy eo amin’ny sehatry ny hira i Erick Manana sy i Jöel Rabesolo. Tsy sakana tamin’ny fampiraisana ny talenta, anefa, izany. Ireo seho nisesy tato ho ato…

Raha mety nanana endrika fanandramana ny tany ivelany… Ny tena izy kosa no noentin’i Erick Manana sy i Jöel Rabesolo teto an-toerana, raha ny nambaran’ny mpijery tonga maro, tetsy amin’ny CCEsca Anta­nimena ny faran’ny herinandro teo. Erick Manana, itoeran’ny talenta sy fahaiza-mitendry miompana any amin’ny « ga­sigasy » kokoa. Jöel Rabe­solo, andrarezin’ny filalaovana jazz. Niravona ho iray ireo rehefa teny an-tsehatra. Talenta roa mifameno ny azy mirahalahy.
Ireo sanganasa nahalalana an’i Erick Manana hatramin’izay. Nametrahan’i Jöel Rabe­solo ny fahaizany mifehy ny gitara ka naka endrika hafa, kanefa, tsy nanala ny fototra maha Erick Manana. Na teo amin’ny feo sy ny fomba namoahana izany na ny fandrindrana. Ny feo avo sy iva, mafy sy mora, ananan’i Erick Manana fahaiza-mifehy. Mbola voatazona tsara ihany koa.
Tsy nanalavitra ny hakanton’ny tolotra nomen’ny fiarahan’i Erick Manana sy Jöel Rabesolo ihany koa ny namerenan’i Erick Manana ireo sanganasan’i Razilinah. Anisan’­ ny nahasarika sy nahaliana ny mpijery fatratra ihany koa, satria, efa fotoana naharitra ihany no tsy nahita izany ny mpitia ny kanto. Tazana avy hatrany fa tsy voakosoka eo amin’ny tantaran’ny hira malagasy ny fitiavana ny hiran-dRazilinah. Tsy latsa-danja ihany koa ny namerenana teny an-tsehatra ireo hira nahafantarana ny tarika Feo Gasy niarahana tamin’i Kôlibera sy i Nini ary Benny. Eny amin’ny P2 kianja Barea Imahamasina, mandritra ny « Tafan-Gilita » no hahitana indray an’i Erick Manana, amin’ity faran’ny herinandro ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: