Manana fivelarana lehibe eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy. Hotanterahina ny 12 novambra ka hatramin’ny 17 novambra izao ny andiany faha-20 amin’ilay hetsika lehibe « Madagascourt Film Festival ». Mahatratra hatrany amin’ny 758 ny isan’ireo « films » hifaninana. Isa anisan’ny maneho fisokafana goavana raha oharina amin’ny andiany teo aloha. Ny 62 amin’ireo no hiatrika ny fifantenana. Manamafy izany rahateo ny isan’ny firenena mandray anjara izay mahatratra 35.
Ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fandefasana sarimihetsika. Atrikasa maro samihafa hiompana amin’ny tontolon’ny sarimihetsika. Velakevitra sy fihaonana maro ho fanomezan-danja sy hahitam-bokatra tsara ny fivelaran’ny hetsika tahaka izao. Anisan’ny mahasarika tanora maro rahateo ny « Madagascourt Film Festival ». Ireo firenena voafantina ao anatin’ity andiany faha-20 amin’ny MFF ity : Kanada, Brésil, Frantsa, Alzeria, Maraoka, Burkina Faso, Sénégal, Guinée, Côte d’Ivoire, Togo, Bénin, Gabon, Madagasikara, Répoblika Tcheque, Tunisie, Tchad, Kameronina, R.D. Congo, Maorisy, La Réunion.
HaRy Razafindrakoto




