Manana ny toerany, nanaraka ny vanim-potoana sy ny fitsoky ny rivotry ny mozika ny gitara teto Madagasikara. Hizara ny tantara, ny traikefa ary ny taratry ny hoavy mahakasika izany ireo andrarezina.
«Jery todika sy taratry ny hoavy ho an’ny revy glita eto Madagasikara”. Hanodidina izay lohahevitra izay ny velakevitra hotontosaina ny alakamisy 11 septambra izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina, ao amin’ny CGM/GZ Analakely. Hitarika ny adihevitra mandritra izany i Dama, mpanakanto, mpitendry gitara ary nanorina ny tarika Mahaleo. Eo ihany koa i Niry Ravelojaona, mpanao gazety sy mpamokatra fandaharana ara-javakanto tao amin’ny TVM taloha, izay ray mpiahy ny «Tafan-gilita Festival ».
Hanokatra ity hetsika iray ho an’ny «revy gilita» eto Madagasikara ity ny velakevitra. Hamaritana ny tantara, ny toerana nisy azy teo amin’ny tontolon’ny mozika ary hibanjinana ny hoavy ho an’ireo mirona amin’izany, ny fotoana. Tsara toerana hiresaka izany i Dama, satria tsy afa-misaraka amin’ny tantaran’ny «revy gilita» ny tarika Mahaleo. Raha tsy izy ireo mihitsy no nisantatra azy. Niaina ny vanim-potoana, nitakosina sy nahafantatra ny lalan’ireo mpanakanto nisafidy ny «revy gilita» ihany koa i Niry Ravelojaona. Efa imbetsaka no nizara ny traikefany sy ny fahalalany izy, ary mbola hanohy izany amin’io alakamisy io.
Ankoatra ny velakevitra, hisy koa ny atrikasa miendrika torolalana ho an’ireo mpitendry gitara. «Ny fahaiza-manao fototra mila fehezina, raha te ho mpitendry gilita» kosa ny lohahevitry ny atrikasa, izay hotontosaina ny tolakandron’ny alakamaisy 11 septambra ihany. I Sahaza kosa indray no hizara ny traikefany, ho an’ireo efa mpitendry, na matihanina na tsia. Mpampianatra gitara no ahafantaran’ny maro azy, ary manana fironana amin’ny tendry klasika izy. Maro ireo mpanaraka an’i Sahaza anaty tambajotran-tserasera, indrindra ireo mankafy manokana ny fomba fiangaliany ireo kalo fahiny an-gitara.
Ampahany anatin’ny fandaharam-potoana marobe mandritra ny «Tafan-gilita Festival» ny velakevitra sy ny atrikasa. Ny sabotsy 13 sy ny alahady 14 septambra kosa ny ivon’ny hetsika, ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina.
Zo ny Aina




