Miditra ny mpianatra: Volavolaina ho vahiny ny taranaka malagasy

Omaly, niditra any an-tsekoly hamita ny taom-pianarana 2025- 2026 ny taranaka malagasy. Amin’ny ankapobeny, tsy nahitana fiovana firy ny fandaharam-pianarana. Tahaka izany koa ny mpampianatra sy ny mpianatra izay tsy niova toeram-piasana sy sekoly ianarana. Raha ireo tranga ireo, tsy antenaina loatra ny fiovana.
… Mitohy ihany, mitohy hatrany ny famolavolana ny taranaka malagasy ho tonga vahiny eto amin’ny taniny. Mbola amin’ny fiteny vahiny ihany no hanazavan-desona. Ny lesona ianarana, azo antoka fa tsy hitondra fivelarana sy fampandrosoana ho an’ny tsirairay amin’ny maha olona azy sy ho an’i Madagasikara.
Volavolaina hanaratsy ny momba azy ny taranaka malagasy. Hanindraindra ny vahiny sy ny momba azy rehetra. Tsy omena azy any an-tsekoly ireo tokony ho fanabeazana sy fampianarana sahaza azy. Taranaka malagasy, tsy ma­hafantatra akory ny momba an’i Madagasikara sy ny harena ananany.
… Mila ovaina ny rafi-pampianarana sy ny fandaharam-pianarana eto Madagasikara. Miainga any amin’ny ambaratonga fototra ka mipaka hatrany amin’ny ambaratonga ambony. Omena lanja lehibe ao anatin’izany fanovana izany ny maha malagasy (te­ny, tany, fomba, soatoavina, fahalalana ny momba ny tena sy ny tanindrazana…). Ma­nana teknisianina afaka ma­natanteraka izany ny Mala­gasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: