Zavakanto an-tanàn-dehibe : Misy fiantsoana ireo manan-talenta

Hiverina ny “Festival d’art urbain”. Homarihina ny faha-10 taonan’ity hetsika lehibe ho an’ny zavakanto an-tanàn-dehibe ity, ny 17 hatramin’ny 26 oktobra izao, raha ny nambaran’ny avy ao amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Ny fikambanan’ireo mpanakanto mivondrona ao rahateo no mikarakara izany sy manao antso avo amin’ireo namany manan-talenta mba handray anjara amin’ny hetsika. Entanina handefa ny mombamomba azy sy ny seha-kanto ivelarany ireo liana, any amin’ny adiresy lateinturerie.association@gmail.com, mialoha ny 17 septambra.
Mivantana amin’ireo manan-talenta mivelatra amina sehakanto maro ny antso: hodosoko amin’ny rindrina, karazan-tsary rehetra, sikotra, hip-hop, dihy, slam, sns. Toerana maro eto Antananarivo no handray ny hetsika amin’ity, arakaraka ny isan’ny mpanakanto hamaly ny antso. Haharitra 10 andro eo izany, mba hanomezana vahana ny zavakanto sy ireo mpisehatra.

Zo ny Aina

Partager sur: