Taona 1960, niverina tamin’i Madagasikara ny fahaleovantenany. Samy nanana ny niheverany
io tranga io sy ny zava-mifamatotra aminy. Ny niraisan’ny loha: « afaka isika. Antsika amin’izay i Madagasikara sy ireo momba azy rehetra». Izay tokoa no nitranga?… Afaka?
Tany ambadik’Imanareza, nanana ny maha izy azy ny Malagasy. Nitohy taty amin’ny fahagola sy ny fahiny izany… Azy ny tany, azy ny teny, azy ny fahefana. Azy i Madagasikara manontolo… Rehefa tafiditra tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany (tsy tokony ho izay no niantsoana azy io, satria, tsy nozanahina i Madagasikara fa nozogaina, noporetina nasaina nanompo, novetavetaina, sns). Lasan’ny Frantsay avokoa ireny rehetra ireny. Norombahany tamin’ny fomba rehetra.
Taona 1896, nanjary zanatany frantsay i Madagasikara. Nametraka ireo paika sy hevitra efa novolavolainy tao anatin’ny fotoana naharitra ry zareo. Goavana indrindra tamin’izany ny « beazina sy volavolaina mba ho vahiny eto amin’ny taniny ny Malagasy ». Maro ny zava-nisongadina tamin’izany. Tao ny nampidirina (amboletra, am-pitaka, an-kafetsena…) niaraka tamin’ ny fivavahana kristianina.
Ny anarana omena ny zaza na ny taranaka malagasy vao teraka, nasiana ny anaran’ireo lazaina fa « olo-masina » ao anatin’ny fivavahana katôlika. Nizotra sy nitombo an-dalana izany ka tonga hatrany amin’ ny fisian’ny fanampinanarana, izay zary nipoirana anarana sadasada ho an’ny ankamaroan’ny Malagasy. Ohatra, Rakotomalala Jean-Baptiste, nanjary Ra-Zambà na i Jean Ba. Ny Ranivomboahangy Séraphine nanjary Rasera, na i mama Rasera rehefa bebe taona, sns. Hatramin’izao, mbola mahazo laka fatratra io tranga mamoehitra io.
Ny saina sy ny fanahy mihitsy no nodontoina
sy nolotoina
Voamarin’ny tantara fa na tsy niditra teto aza ny fivavahana nentim-bahiny, nahafantatra sy nahalala tsara ny fisian’Ilay Nahary (Zanahary) sy nanaja fatratra Azy ny Malagasy. Nahafantatra tsara koa ny fisian’ny tody, manamarina ny fisian’ny anjara, sns. Nanary ny fivavahan-drazany ny Malagasy. Voasasa tao anatin’ny fivavaham-bahiny nandritra ny 100 taona mahery ny atidoha ahafahana misaina sy mandinika. Voavolavola sy nozarazaraina tamina antokom-pinoana samihafa.
Ireny rehetra ireny, nanefy ny Malagasy tsy hifampiditra an-trano, tsy hifandevi-maty. Hifanenjika eny amin’ny tribonaly na fitsarana (tsy nananan’ ny Malagasy izy io, satria, nahatafita hafatra toy ny anatra sy ny fanaovana adidy ireo vatonamelankafatra teo, Malagasy). Novolavolaina hanary ny firaisankina, fifampitsinjovana. Voakorontana ny rafi-piarahamonina iray manontolo. Tsy afaka miasa araka ny tokony ho izy intsony ny fo sy ny saina amam-panahy ananan’ny Malagasy.
… Tsy hay tohaina ny fanilihan’ny Malagasy ny momba azy ka niankohofany eo amin’ ny zava-bahiny. Nariany hatramin’ireo ray sy reny nahitany masoandro ka nosoloiny « papa » sy « maman », hany ka mora hapetraka any amin’ ny toerana fitaizana zokiolona rehefa tonga eo amin’ny fahanterana. Tahaka izany ihany koa ny fanajana ny: « ny razan-ko ela no lasa Zanahary » izay nivadika ho : « ianareo minomino foana », sns.

Tsy mahare intsony fa domelin’ny zava-bahiny
Tsy hita sy tsy ren’ny Malagasy intsony fa mitahiry zavatra kanto sy manan-kasina ary harem-be tsy hita pesimpesenina ity Nosy ity. Tsy fantany intsony fa azy ireo harena ireo. Nanomboka teto, nihevi-tena ho Frantsay na Amerikanina na Anglisy, sns, ny Malagasy. Tsy azony veroka intsony ny fisian’i Madagasikara. Vahiny tanteraka eo amin’ny taniny izy. Ny fantany sy lalainy ary hajainy fatratra dia ny teny vahiny, ny fomba vahiny, ny fitafy vahiny, ny fomba fisainana vahiny, ny fomba fihetsika vahiny… Rehefa tsy mifanaraka amin’ireo, ratsy sy tsy mety aminy ary « ambany » avokoa.
Tsy fantany intsony fa ny anarana amin’ny teny malagasy ka sady tsodrano no firariantsoa ho an’ny zaza vao teraka, ka hoentiny mandra-maty. Ilay mahafinaritra ny sofiny no naha maika azy. Tsy vitsy aza ireo mitady anarana any amin’ny tambajotran-tserasera. Tranga midika fa tsy misy bitsika na fahitana na fahalalana intsony eo amin’ny Malagasy. Izay atolotry ny olona tsy fantatra akory no atao anaran-janaka.
Mirehareha amin’ny tsy azy
Ny Malagasy, tsy mitafy lamba eo imason’ny tompony. Amin’izao vanim-potoana izao, ilay antsoina hoe tompony mihitsy no tsy tazan’ireo mpanao indran-draikitra. Tsy mahataitra ny Malagasy intsony ny tsy fahaizana ny tenin-drazany. Mahamenatra azy, anefa, raha toa ka ny teny vahiny no tsy mandeha amin’ ny laoniny.
Manao azafady, miala tsiny, miala fondro miala salohy fito ny Malagasy raha sanatria ka nandika fady na raha sanatria ka nanao fahadisoana. Ankehitriny, tsy tahotra tsy henatra fa atao am-pireharehana aza ny maniratsira ny fotsivolo amin-tany.
… I Madagasikara, anefa, efa fantatra izao fa nomen-Janahary ho azy… Saingy, tsy fantany akory izany. Tsy hainy ny momba azy. Tsy misy intsony ireo « vatonamelankafatra » sa ny hafatra ampitaina no lany teny antsefantsefam-potoana?
Raha izao tranga izao no mitohy, tsy hijanona ho vahiny eto amin’ny taniny, fotsiny, ny Malagasy fa ho tompony hangataka ny atiny, amin’ny lafim-piainana iray manontolo.
HaRy Razafindrakoto




