« Kolontsaina mampiray firenena ». Tsy lohahevitra voizina fotsiny fa tena zava-misy marina io. Izay no hindrahindrain’ny “Angaredon Mozika Festival”, izay miditra amin’ny andiany faha-19 amin’ity taona ity. Hotontosaina ny 13 hatramin’ny 21 septambra izao ity hetsika goavana ho an’ny mozika miaina ity, eny Ambohimanga Rova. “Handray vahiny mpanakanto roa, avy any La Réunion sy Rodrigue, ny Angaredona amin’ity. Nivezivezy tany izahay tamin’ ny taon-dasa ka nifanentana ny hanao Festival aty amin’ny ranomasimbe Indianina, hampiroboroboana ny fifanakalozana ara-kolontsaina sy hanamorana ny fivezivezen’ny mpanakanto. Efa vonona ny avy any Comores sy Seychelles amin’ny taona ho avy, hanatevina izay”, hoy ny nambaran-dRajery, omaly, nandritra ny fampahafantarana tetsy amin’ny Phô Resto Ankorondrano.
Na izany aza, mifototra hatrany amin’ny fanandratana ny mozika miaina eto Madagasikara ny “Angaredona Mozika Festival”. Tarika sy mpanakanto maro, mahasolo tena ny foko sy ny faritra misy eto Madagasikara, no handray anjara amin’izany. Fanomezana sehatra ireo mpanakanto an-dalana amin’ny laza, kanefa koa andraisan’ireo efa kalaza anjara izany. Misy ny tanora, misy ny efa zokiny. Anisany, ohatra, i Rossy, izay azo lazaina fa indray nihira tamin-dry Rajery, hanome voninahitra ny “Angaredona Mozika Festival” amin’ity.
Tsy fampisehoana mozika fotsiny, fa eo koa ny fampahafantarana an’Ambohimanga, ny tantarany sy ny kolontsainy. Ny fanomezana sehatra ireo ankizy amin’ny “Kilonga milalao”, hamerenana ireo kilalao fahagola, sns.
Zo ny Aina




