Nisongadina ireo Malagasy mpandihy, nandritra ny «Festival Bouzé» natao tao La Réunion, ny sabotsy 13 septambra lasa teo. Tompondaka teo amin’ ny sokajy «Afro style» i René. Nandresy tamin’ny sokajy « Hip Hop Free Style » kosa i Andoniaina. Ankoatra izay, nahazo ny laharana fahatelo tamin’ny sokajy breaking ihany koa, i Bibrock.
Tafapetraka soa aman-tsara ao amin’ny zomba ao Ambiky ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. Toraka izany koa ny an’ireo mpitari-tafiny roa lahy, Mahata sy Vongovongo. Tontosa avokoa ireo fombafomba rehetra, na ara-panjakana na ara-pombandrazana. Niverin-kasina ny Ampanjaka Toera sy ny Sakalava ao Menabe iray manontolo.
« voninavokon’ny teny ». Hetsika hanambarana seha-kanto marolafy, ny alarobia 17 septambra izao, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Ho tafaraka mandritra izany ny slam, dihy, tononkalo, beat box, sns, hanehoana fa mifandray, mifampiankina ireo zavakanto, ary misy koa ny mpanakanto marolafy.




