Kick Boxing… Mpikatroka 8 lahy sy 5 vavy hanao JIOI

Taranja anisan’ny hifaninanana amin’ny lalaon’ny Nosy ny kick boxing, sokajy Low Kick, amin’ity taona 2023 ity. Eo an-dalam-pandaminana ny fampivondronana ireo atleta hisolo tena an’i Madagasikara, ny avy eo anivon’ny federasiona malagasin’ny kick boxing. Atleta 13 ka 8 lahy sy 5 vavy no kasaina handray anjara, araka ny fanazavan’ny Tale teknika nasionalin’ny FMKB, i Anigael Gastros. Mbola sivana maro no hosedrain’ireo mpikatroka hahafahana mitily azy 13 miandahy ireo. Anisan’izany ny “combat de défi”, hatao eto Antananarivo, ny 25 febroary ho avy izao, hifanandrinan’ireo mpikatroka manerana ny Nosy. Ho hentitra ny fijerena sy fisafidianana izay mpikatroka mendrika mba hahazoana izay atleta tena afaka hibata fandresena amin’ny lalaon’ny Nosy hatao eto Madagasikara, ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra izao. Ho fantatra aorian’ity fifaninanana ity, ny mahakasika ny fampivondronana sy fanomanana rehetra, raha ny fanazavana nentin’ny DTN Anigael Gastros hatrany.

Tsiahivina, ny sokajy Low kick ihany no hifaninana amin’ity lalaon’ny Nosy ity, ho an’ny taranja kick boxing, araka ny tapaka tamin’ny fivoriamben’ny kaomisiona teknikan’ny lalaon’ny nosy. Izany hoe, tsy ao anatin’ny lisitry ny taranja hifaninana ny sokajy K1 izay tena hananan’ny malagasy traikefa Na izany aza,vonona ny hanome ny tsara hatrany ny mpikatroka malagasy. Hanatanteraka fivoriambe ny faran’ity volana janoary ity na ny fiandohan’ny volana febroary ny federasiona malagasy ny kick boxing,rah any fantatra, handinihana lalina kokoa ny fandaharam-potoana rehetra amin’ity taona ity.

Mi.Raz

Partager sur: