Rugby lalaovin’olona 7 : Hiady ny tapakila ho an’ny Lalao Olympika ny Makis

Hifantoka atsy Maurice ny sain’ny mpitia fanatanjahantena, indrindra ny mpankafy rugby, amin’izao faran’ny herinandro izao. Ekipa valo hiady izay ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny baolina lavalava lalaovin’olona 7 “Africa Men’s Sevens Series 2026”. Anisan’ireo hiatrika izany ny Makis Madagasikara izay ao amin’ny vondrona “B”. Tapakilan’ny Lalao Olympika no andrandraina amin’izany.

Hanomboka anio, ao amin’ny Sparc Inter­national Stadium, Mau­rice ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, lalaovin’olona 7, sokajy lehi­lahy “Africa Men’s Sevens Series 2026”. Ekipa 8 no hiady ho lohany amin’izany. Hanana ny lanjany goavana ity fifaninanana ity satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika (JO 2028) tantera­hina any Los Angeles Etats-Unis. Anisan’ireo hifaninana amin’izany ny Makis Madaga­sikara izay ao anatin’ny vondrona “B”, miaraka amin’i Kenya sy i Namibie ary i La Réunion. Vonona tanteraka ny mpilalao ary ambony ny toe-tsaina hiatrehana izany. Niavaka kely ny Makis tamin’ ity satria saika mpilalao zandriny avokoa ny mandrafitra azy. “Mpilalao vaovao avokoa satria mametraka ny politi­kan’ny mpandimby izahay. Na izany aza, efa niaraka tany amin’ny U18 izy ireo ka tsy sarotra ny fanomanana sy ny fampiarahana azy ireo”, hoy Razily, mpanazatra. Raha ny fandaharam-potoana, hifandona voalohany amin’ny Makis ry zareo Renione. Aorian’izay, hifanehitra amin’i Namibie
ary hamarana ny lalaom-bondrona, anio folakandro, ny fifanandrinana amin’i Kenya. Miatrika ny manasa-dalana ny ekipa roa voalohany. Marihina fa ny ekipa efatra voalohany mifandona amin’ireo efatra tafavoaka tany Ouganda, amin’ny taona ho avy, hiady ilay tapakila handehanana any Los Angeles. Araka izany, mila mandresy indroa izany ny Makis raha te hanohy ny dia. Raha ny herijikan’ny Makis, tokony ho anisan’ireo tafavoaka ao amin’ity vondrona ity izy ireo. I Kenya ihany no heve­rina fa maozatra. “Vonona izahay satria fito volana ny nanomanana ity lalao ity. Na izany aza, tsy misy ekipa azo ambaniana fa tsy maintsy resena avokoa”, hoy i Jean Marc, kapitenin’ny Makis Madaga­sikara.

Tompondaka

Partager sur: