Eto afovoan-tany… Hitohy ny orana anatin’ny roa andro 

Mbola hitohy anio sy rahampitso ny rotsak’orana miatoato ho an’ny eto afovoan-tany fa ny alahady vao ho maina ny andro, hoy ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Momba ilay rivodoza Cheneso kosa, omaly maraina, tany amin’ny 157 km andrefana somary avaratra andrefan’i Morondava no nisy ny foibeny. 120 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy arahina tafiotra manodidina ny 165 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Manomboka mikisaka miadana mianatsimo andrefana izy ka mahafaka 7 km isan’ora. Tsy ahiana ny hiverenany an-tanety fa kosa hivoatra any amin’ny maherin’ny 100 km miala ny morontsiraka izy ato anatin’ny roa andro manaraka. Noho izany, mety ho voakasiky ny tafiotra manodidina ny 50 hatramin’ny 80 km isan’ora ireo distrika amin’ny morontsirak’i Menabe sy Atsimo Andrefana. Noho izany, mbola mitoetra ny filazana loza manambana miloko mavo ho an’ireto distrika ireto : Belo Tsiribihina, Morondava, Manja, Morombe ary Toliara I-II. Mbola hitohy ny rotsak’orana (40 ka hatramin’ny 80 mm anatin’ny 24 ora) hatramin’ny anio any Melaky, Menabe, Boeny, Atsimo Atsinanana, Analalava sy Antsohihy. Noho izany, manakery hatrany ny fampitandremana amin’ny fahabetsahan’ny rotsak’orana.

Vonjy A.

Partager sur: