Lalatiana : Hanamarika ny faha-50 taona nihirany

Teto an-toerana izy tamin’ny taon-dasa ary efa nilaza fa ho avy manokana amin’ity. Seho miavaka iarahana amin’ny tena mpankafy no hanamarihin’i Lalatiana ny 50 taona nihirany.

Tsy nambarany hoe firy taona izy no nihira voalohany. Fa azo antoka aloha fa mbola kely dia kely dia efa nizatra sehatra ny vehivavy. Porofon’izany, feno 50 taona sahady izao no nihirany voalohany, ary hankalazaina amin’ity taona ity.
Hiova kely amin’ny toerana mahazatra indray, noho izy fankalazana izay. Eny amin’ny CCI Ivato mantsy ny fotoana, ny 19 oktobra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Efa nampanantenainy nandritra ny seho tao Mahamasina, tamin’ny taon-dasa, fa tsy maintsy hisy io fihaonana io, ka tonga izy izao.
Mazava loatra fa an-kira ihany koa no hitetezana izay 50 taona izay. Tsy mba tia loatra fankalazana izy hatramin’izay, saingy hafa kosa ity indray mitoraka ity, satria iarahany amin’ireo tena mpankafy, anatina fotoana mamy iray, izany.
Ny mi’Ritsoka Production hatrany no handray ny fikarakarana rehetra. Fiarahana efa hatry ny ela rahateo ny an’ny roa tonta, ary fahombiazana avokoa ny natao. Amin’ity indray mitoraka ity, karazana « tournée » aty amin’ny ranomasimbe Indianina no hataon’i Lalatiana, satria hisy seho voalohany atsy amin’ny Nosy La Réunion, ny 11 oktobra izao, ao amin’ny Amphithéâtre Bioclimatique du Moufia, ao Saint Denis. I Rija Randria­navosoa hatrany no mpitendry hanaraka an’i Lalatiana amin’io. Ho vahiny manokana kosa i Gwendoline mandritra ny seho. Ankoatra izay, hisy ny fandefasana ny horonantsary « Nosy Hira », hataon’ny fikambanana Hely, izay mpikarakara.

Zo ny Aina

Partager sur: